airtel

Sosialy

06-juil-2023

Sosialy

Nanatitra taratasy fitakiana ny mpiasan’ny CNaPS

Sample post image

Tsy mbola voafaritra hoe ohatrinona no vola lasa tato! »

06-juil-2023

Nanatitra taratasy fitakiana tetsy amin’ny minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Rivotiana Richard Jean Bosco, tetsy amin’ny biraony etsy 67 ha omaly ny sendikan’ireo mpiasan’ny CNaPS mba hahafahan’izy ireo miverina mandray ny asany amin’ny laoniny indray aorian’ny fitokonana izay ataony. Raha fintinina ny votoatin’izay fitakiana izay, hoy ny fanazavana, dia nisy ny fametrahana ny atao hoe « préavis» na fampandrenesana mialoha teny anivon’ireo manampahefana mikasika ny hetsika ataon’ireo mpiasa. Eo ny fitakiana ny fahamarinana manoloana ny toe-draharaha ankehitriny dia ny fiazonana am-ponja ny tale jeneraly mpisolo toeran’izy ireo na DGPI. Eo koa ny raharaha 2022, ny fanatsaharana ny teritery amin’ny fanatanterahana ny asa, heno fa tsy mbola tokony ho tazomina am-ponja ny tale jeneraly ankehitriny ka mangataka ny fanafainganana ny famotsorana azy izahay. Mety ho famotsorana vonjimaika io. Mety fanaraha-mason’ny fitsarana. Eo koa ny fangatahana ny mba hanaovana fifamindram-pahefana mazava tsara mifandraika amin’izay famotsorana azy izay. Isaorana ny mpikambana eo anivon’ny filankevim-pitantanana izay tarihin’ny filohany izay hita hoe miroso malaky amin’izany vahaolana izany. Isaorana koa ny tomponandraikitra rehetra amin’ny firosoana amin’izany fa amafisinay izay hoe aleo hisy fifamindram-pahefana mazava tsara amin’izay tomponandraikitra ho avy eo ary mifampiankina amin’izany ny fangatahanay hoe aleo ho avy eo ny tale jeneraly teo aloha hanao fifamindram-pahefana. Miantso ny firaisankinan’ny mpisehatra anivon’ny CNaPS rehetra manerana an’i Madagasikara izahay. Tsy vonona hampijaly azy ireo akory izahay mijoro eto ireto fa toy ny vatana misy vay io. Miara-miari-pery ka raha sitrana ny vay dia miara-sitrana daholo. Miaro ny volanareo mpiantsehatra ny mpiasa. Izany no anton’izao fa tsy sanatria hampijaly beantitra na bevohoka na marary na osaosa. Manao antsoavo amin’ny tomponandraikitra mahefa satria fantampantatra fa hisy fanendrena tale jeneraly ato ho ato. Aoka ho tale jeneraly mahafeno fepetra, manana traikefa amin’izay asa tandrify azy izay no mba ho tendrena fa tsy sanatria hanohy ny fanaovana tantely afa-drakotra eo anivon’ny CNaPS ihany. Miroso amin’ny fitadiavana vahaolana ary miezaka manatona ireo tomponandraikitra mahefa hahatanteraka izany izahay ankehitriny. 33 taona niasana teto amin’ny CNaPS ny DGPI. Mahalala tsara ny toetrany ny ankamaroanay ato. Tsy fiarovana be fahatany akory izany fa mahafantatra ny ankamaroanay hoe mahitsy ilay olona. Tsy tia zavatra kinafinafina. Niezaka nanarina ireo lesoka nisy teo amin’ny fitantanana ny CNaPS. Isan’ny takian’ny mpiasa tsy ho very an-javona ny fanaovana tantely afa-drakotra ny CNaPS sy ny nanaovana ireo fananan’ny CNaPS izay nisy tsy nazava. Tsy mbola voafaritra hatreto hoe ohatrinona no vola lasa tato, hoy hatrany ireto sendika ireto!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.

Card image cap