airtel

Sosialy

06-août-2021

Sosialy

Nanazava ny Jirama Hisorohana fitambarany be ny "Facture estimée"

Sample post image

Hisorohana ny "cumul de consommation" na ny fitambaran'ny vidin-jiro ka mahatonga ny mpanjifa ho voatery mandoa vola be indray mitontona no antony nametrahana ny "Facture estimée", hoy ny Jirama.

06-août-2021

Misy soratra hoe “ESTIMÉE” eo amin'ny toeran'ny “Nouvel index” amin'ny faktiora. Entanina hatrany noho izany ny mpanjifa handefa ny “index” na amin'ny hafatra miafina amin'ny pejy Jirama Ofisialy, na amin'ny laharana maitso 3547, na amin'ny mailaka service-client@jirama.mg, na koa amin'ny Application Mobile sy ny Agence en Ligne, ary ihany koa afaka apetraka eny amin'ny masoivoho Jirama rehetra, hoy ity orinasam-panjakana ity. Na izany aza, maro ny mpanjifa manao antso avo amin’ny Jirama mba hisian’ny fiverenana amin’ny laoniny sy ara-potoana ny fakana isan-tokantrano ny fandaniana satria manahirana ny mpanjifa ny zava-misy indrindra fa amin’ilay kajikajy sy tombatombana izay misy tokoa ny lasa latsaka ambany be, saingy lasa vesatra goavana ho an’ny fandoavam-bola aoriana.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap