airtel

Sosialy

22-févr-2022

Sosialy

Niaiky ny minisiteran’ny mponina “Misy manararaotra ny vatsy tsinjo”

Sample post image

Tsy mitaza-potsiny ny zava-misy ao Mananjary ny fitondram-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina omaly.

22-févr-2022

Nisy vary 60 taonina tao Nosy varika natao Vatsy tsinjo, hoy ny talen’ny kabinetran’ity minisitera ity, Yan Wilfried Ramananirina. Nisy nalaim-panahy indray tao. Asa na nisy namoaka tao ilay izy dia namidy tery ivelany tery. Nitabataba amin’izay ny vahoaka. Ny ao Mananjary koa misy fanampiana. Misy manararaotra ny sasany satria tadidio fa ny lalana izao mbola betsaka no tapaka. Isan’ny mahatonga olana ao Ikongo izany. Raha hitondra entana be dia be ianao dia tsy maintsy mila fiarabe be dia be koa nefa na ny lalana aza tsy maha afaka fiara kely sy moto. Tsy maintsy atao tati-bitsika aloha. entina amin’ny fiaramanidina dia alatsaka ao. Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mba hanamboarana ny lalana ahafahan’ireo fiara tafiditra ao amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap