airtel

Sosialy

05-juil-2022

Sosialy

Niakatra ny vidin’ny entona fandrehitra Lasa nofy sisa ny vina fikajiana tontolo iainana

Sample post image

Matetika niverimberina teo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy nandritry ny fitantanan’ny minisitra teo aloha, Baomiavotse Vahinala Raharinirina,

05-juil-2022

nitohy tamin’ny fiarahany niasa tamin’ny minisitra lefitra nampisahanina ny fandrakofana ala, Haingosoa Hortensia Antoinesia, ny hoe ho atao zakan’ny rehetra ny vidin’ny entona fandrehitra na “gaz”. Matetika nandeha tamin’ireny fotoana ireny ny serasera fa nisy hatrany ny fifanarahana tamin’ireo mpandraharaha voakasik’izany mba ahitana ny marimaritra iraisana ahatongavana amin’io vidiny zakan’ny rehetra io. Niakatra efa manafosafo ny 60.000 Ariary indray ankehitriny ny vidin’ny 9 kilao amin’ny entona fandrehitra, raha ny hita teny amin’ireo tobin-tsolika omaly. Lasa 59.700 Ariary ny iray tavoahangy amin’io lanja io raha toa ka 57.700 Ariary izany, hoy ny mpanjifa tavoahangina marika iray. Nisy fisondrotana 2000 Ariary. 82.500 Ariary ny 12 kilao, raha ny vidiny teo aloha, hoy ny sasany. 87.000 Ariary izy ao izao, hoy kosa ny hafa. Ny aty avaratra ve izany tsy efa 100.000 Ariary, hoy koa ny fanahian’ny olompirenena sasany? Lasa nofy indray araka izany hatreto ny vina fikajiana tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanamorana ny fampiasana entona fandrehitra ho an’ny isan-tokantrano eto Madagasikara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap