airtel

Sosialy

09-nov-2021

Sosialy

Nidina an-dalambe ny Mpiasan’ny SECREN Netsehina ny miaramila, raikitra ny fisamborana…

Sample post image

Nidina andalambe nanamafy ny fitakiany ny mpiasan’ny SECREN (Société d’Etudes et de Construction et de Réparation Navales) any Antsiranana omaly maraina.

09-nov-2021

 Nihazo ny Lapan’ny tanàna naneho ny tsy fahafaliany noho ny mbola tsy fisitrahana karama. Miaramila avy hatrany anefa no nitsena sy nandroaka azy ireo sady nisambotra mpiasa mpitarika roa, raha ny fampitam-baovao azo avy tany an-toerana. Tamin’ny talata herin’ny anio no efa nangotraka ny grevin’ny Mpiasan’ny SECREN nentin’izy ireo nanehoana fa leo ny fampantenana poak’aty sy ny fandrirarirana satria roa volana tsy nahazo karama. Notakian’izy ireo hatramin’ny Fialan’ny Tale Jenealin’ny Orinasa Atoa Ntsay Abel. Tondroin’ny sendikan’ny mpiasa ho tsy mahavita, tsy mahatondra, ka tokony hametra-pialana ny Tale Jeneraly Atoa Ntsay Abel. Izahay tsy mahazo karama, tsy mahazo zo,… io anefa misy “caisse noire” misy fanodinkodinam-bola izany ao, hoy izy ireo ny herinandro teo, ka nilaza fa ramatahora no azo, voaantso any amin’ny polisy sy ny zandary vao miteny,… Voalaza mantsy fa nisy fihaonana ny 06 septambra teo amin’ny Solontenan’ny mpiasa, ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Atoa Ntsay Abel, ary ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria Edgard Razafindravahy, ka tamin’izany dia neken’ny Tale Jeneraly ny fandoavana karama isam-bolana avy amin’ny orinasa mitohy, ary ny Fanjakana kosa no handoa ny karama tany aloha mbola tsy voahefa mandeha 50% isaky ny mandoa, araka ny fanambaran’ny mpiasa. Nisy ny fifanarahana tamin’ny 5 oktobra, ka nambaran’izy ireo fa mavandy aminy ny orinasa sy ny Tale Jeneraly kanefa tsy noterena izy nanaiky izany. Sahirana ny mpiasa, sahirana ny vady aman-janaka,… Tsy maty tanteraka fa mbola mahavita miodina, afaka mamelona ny mpiasa ny orinasa, hoy izy ireo. Milaza ho tratry ny fampifilafilaina lava ireo mpiasa, ka manamafy ny fitakiana, saingy miaramila no nitsena azy ireo omaly. Hahazo rariny ve ireo mpiasa mitaky ny valin-katsembohany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap