airtel

Sosialy

14-févr-2022

Sosialy

Nosy Varika Trano 21 lasa lavenona

Sample post image

Kilan’ny afo ny trano iray izay mpanao cyber tao amin’ny fokontany Tsararivotra distrika ny Nosy Varika omaly alahady 13 febroary 2022 tokony ho tamin’ny folo ora maraina.

14-févr-2022

 Tsy fantatra mazava izay tena antony nampirehitra io trano io fa ny afo izay efa niredareda vao samy taitra ny mponina manodidina . Raha ny fantatra dia mampiasa ‘panneau solaire’ ny tompon’ny trano saingy noesoriny avokoa ny tady vy izay mitondra ny herinaratra. Fotoana izay tsy nahat eo ny tompon’ny trano izay lasa nivakaka no nitranga ny loza ka tsy nisy entana voaray tao amin’ny trano izay loharano nipoiran’ny afo. Trano miisa 21 arak’izany no lasa lavenona tao amin’ny distrikan’i Nosy Varika omaly ary niparitaka tamin’ny trano eo akaiky. Raha ny tatira azo avy amin’ny solombavabahoaka Nosy Varika Baofeno Micheline dia trano 15 hafa no tsy maintsy noravaina izay ahiana mety hirehitra. Tafakatra 27 ireo olona traboina ao amin’ny fokontany Tsararivotra tampon-tananan’i Nosy Varika faritra Vatovavy fitovinany vokatra ity trano kilan’ny afo. Ripaky ny afo ihany koa ireo entana sisa izay navelany tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai. Ireo fianakaviana sy ny olona manodidina no nandray sy nihantra ireo olona tratrin’ny hay trano io. Mitombo isa indray izany ireo vahoaka traboina ao Atsimo atsinanana taorian’ny loza takaitra napetraky ny farany reo . Nanolotra fanampiana vonjimaika ho an’ireo traboin’ ny haintrano ny solombavabahoaka Baofeno Micheline hamonjena . Vary sy lelavola no azo tamin’izany. Raha ny firehetana niseho no resahina dia efa tsy misy azo ampiasaina intsony ny tao amin’ilay trano fototra ny afo. Indroa izao ity trano nihara-boina ity traha-doza izay tsy ampy firy andro ny vaky trano nahazo ny tompony ka izao lasa lavenona izao indray ny sisa teo am-pelatanan’ireo fianakaviana.
Tolin
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap