airtel

Sosialy

28-janv-2022

Sosialy

Ny teo tsy tafarina Mandindona ny rivodoza manaraka

Sample post image

Ny takaitran’ny andro ratsy Ana farany teo tsy tafarina, dia efa mandindona an’i Madagasikara sahady ny rivodoza vaovao.

28-janv-2022

 Misy andro ratsy miforona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana, 3.373 km miala ny morotsiraka Atsinanan'i Madagasikara no misy azy. Nahazo anarana “Batsirai” omaly noho ny fitomboan’ny heriny. Niainga tamin’ny tafio-drivotra 85km/ora, 20km/Ora ny fikisahany. Tafiakatra ho rivodoza mahaery vaika, tao anatin’ny 9ora, ka omaly 27 janoary tamin’ny 4ora hariva no niovany ho “cyclone intense” nitondra rivotra 165 km isan’ora arahina tafiotra 230 km isan’ora. Tany amin’ny 3 373 km niala ny morontsirak’i Toamasina ny foibeny, izay mbola tsy misy fiantraikany amin’ny toetr’andro eto Madagasikara. Ahiana hitombo hery, ary sokajiana ho loza manambana an’i Madagasikara. Ahiana hitombo ny loza mandindona ao anatin’ny herinandro ho avy. Tany amin’ny 2525 niala an’i La Réunion, 3 740 niala an’i Mayotte, 3 373 niala an’i Madagasikara no nisy azy, ary alahady na ny alatsinainy izao no heverina fa hipaka amin’ny faritra Mascareignes ity rivodoza ity, raha ny tomban’ny Météo France Réunion. Vinavinaina hiditra an-tanety any Atsimo Antsinanan’i Madagasikara ny 05 na 07 Febroary 2022 izao eo anelanelan'i Maroantsetra sy Taolagnaro izy io.
ENCADRE
Loza mandindona tsy azo hamaivanina io. Ambony ny risika hidirany eto Madagasikara, ka mila miomana ny rehetra. Samy manana andraikitra na ny Fanjakana na ny vahoaka. Mba efa nandray lesona tamin’ny andro ratsy farany teo ve ny mpitondra ? Manao ahoana ny fiomanana ara-bola sy ara-pitaovana ho an’ny Fanjakana? Milamina ve ny famatsiana amin’ny endriny rehetra ho an’ny filàn’ny mponina andavanandro, Ho an’ny vahoaka ihany koa tokony hiomana amin’ny fiarovana, fahamailoana, ny ara-tsakafo sy filàna maro samihafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap