airtel

Sosialy

20-juil-2022

Sosialy

Ny vidim-piainana mihazakazaka Ny vahaolana tahaka ny sokatra

Sample post image

Tsy finiavana hitsikera na hanakiana be fahatany fa tsy arakaraka ny zava-misy manjo ny vahoaka ny vahaolana aroson'ny Fanjakana ankehitriny.

20-juil-2022

Na milalao serasera na mitady izay azo hanilihana rihitra, na mampiady vahoaka, na manao didy jadona,... Efa tapa-bolana izay no niakatra ny vidin-tsolika, novoizina ny hoe: raha ny mpanohitra aza no teo 10 000Ar io. Afantoka any amin'ny sehatra iray tahaka ny taksibe ny mason’ny rehtra, fa ny zava-drehetra hodiana adala, ary mbola misy endrika fampiadiana vahoaka aza. Ny firaisamonim-pirenena milaza fa tsy niaraha-nanapaka ny fampiakarana vidin-tsolika midangana be satria tsy nomena fahalalahana haneho hevitra izy ireo na nasaina aza, ireo mitonona ho mpiaro ny zon'ny mpanjifa fa nalalaka ny fanehoan-kevitra,... Ny Filoha no miteny am-bava fa 600Ar ny taksibe avy eo misy tsy manaraka. Raharaham-pirenena sy raharaham-panjakana no resaka eto, tany anaty lapam-panjakana no nifampiresahana. Nahoana no tsy nisy taratasy voasonia mazavan'ireo rehetra nandray anjara na ny dinika vidin-tsolika na ny dinika saran-dàlana ? Lasa ny samy vahoaka no miady, sehatra iray no toa hitarihana ny sain'ny olona, vahaolana petatoko sy jadona tsy misy fepetra mifandraika amin'ny zava-misy na "mesure d'accompagnement", toy io resaka saran-dàlan'ny taksibe io. Asa ho an'ny vahoaka na "service public" io, fa asa fandraharahana ihany koa.Tena izay ve no fomba fitantanana mahomby rehefa misy olana sy mitaraina ho maty antoka hoe: atero aty ny "licence" rehefa tsy hiasa, hosintonina ny "licence" ho an'izay mbola manao 800Ar,... Tsy homen-tsiny ny vahoaka mitaky sy maniry saran-dàlana 600Ar na latsak'izany aza. Tsy homen-tsiny ihany koa ny mpitatitra mitaky 800Ar satria tsy mandeha rano io. Tsy tokony ho diso fahavalo sy hifanenjika ny andaniny sy ankilany sao ho diso fahavalo. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: inona no vahaolana sy fepetra mahomby aroson'ny Fanjakana ankoatry ny tery vay manta? Voadona ny sehatra rehetra tsy ankanavaka. Ny orinasa lasibatry ny delestazy, ny mpivarotra mitombo ny mason-karena noho ny saran-dàlana sy ny haratsian-dàlana satria tsy hita hoe nankaiza ny volan’ny FER (Fonds Routier), ny savony 500Ar lasa 1800Ar, ny menaka novidiana 4400Ar tany aloha efa ho tonga 14000Ar, ny siramamy 3500Ar lasa 5000Ar.
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Firenena manana taha ambony dia ambony amin’ny trangana tsy fahampian-tsakafo aty

Card image cap
06-mai-2024

Mahatratra 60000m3 isan’andro ny tsy fahampiana rano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao

Card image cap