airtel

Sosialy

17-juin-2021

Sosialy

Olana ara-tany - Antanandrano Tsy noraharahian’ilay orinasa ny taratasy fampiatoana asa

Sample post image

Na dia teo aza ny fidinana ifotony nataon’ny filohan’ny vaomiera misahana ny fananan-tany eo anivon’ny antenimierapirenena,

17-juin-2021

 

 

Naivo Raholdina, teny an-toerana ka nandrara ilay orinasa Karana mba tsy hanohy intsony ny asa fanorenana ataony eo amin’ilay tany iadian’ity orinasa ity amin’ireo mponina etsy Antanandrano, Kaominina Ankadikely Ilafy, ny faran’ny herinandro teo dia mbola manohy izany ihany ity orinasa ity, raha ny hita teny an-toerana omaly. Araka ny fanazavan’ny isan’ireo lasibatra, Hasina Randrianarisoa, dia tena mampalahelo azy ireo ny fisian’ity taratasy efa tokony hampiatoana ny asa ity kanefa dia manohy ihany ilay orinasa. Fanaovana tsinontsinona ny fitondrana Malagasy izao, hoy izy. Hitohy foana noho izany ny tolona satria efa manao tsinotsinona ry zareo. Antony mbola hiangavianay ny filoham-pirenena koa io mba hijery izao zava-misy izao fa raha izao no mitohy dia ho lasan’ny vahiny daholo angamba ny tany eto Madagasikara. Mbola teo koa ny mpitandro filaminana ary vao mainka miha betsaka ary ny tena mahagaga dia ireo mihitsy no manao ramatahora anay. Misy mpitandro filaminana ambony manao ramatahora anay hatrany amin’ny fokontany sy kaominina ao. Toerana tsy mandry fahalemana ity saingy tsy nasiana mpitandro filaminana. Izao anefa tamboho ana Karana no ataony fa mpitandro filaminana efa ho 50 isa no miandry eto ary miandry sy manoro ary miteny amin’ireo mpiasa ireo hoe ataovy haingana! Vao lasa 15 minitra ny depiote Raholdina dia notohizan-drizareo ny asa. Tsy hiala eto intsony izahay na mandrak’alina aza, hoy hatrany ity solontenan’ireo mponina ity.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap