airtel

Sosialy

28-oct-2021

Sosialy

Olan’ny Mpandraharahan’ny oniversite Mila didim-panjakana ny “Indemnité de technicité”

Sample post image

Ho fampahafantarana ny dingan’ny famahana ny olana momba ny « indemnité de technicité » izay anton’ny fitokonan’ny mpandarahara PAT (Personnel Administratif et Technique) eny anivon’ny oniversite tato ho ato,

28-oct-2021

 dia notsiahivin’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice izay mamita iraka any Mahajanga, fa tolona sendikaly no nahazoana azy io tamin’ny taona 2003. Noho ny hamehana tamin’izany fotoana izany dia nomena avy hatrany hisitrahan’ny mpandraharahan’ny oniversite rehetra izy io na dia tsy nisy ny fehezan-dalàna, na didim-panjakana, na didim-pitondrana mamaritra ny fisiany sy ny mombamomba azy. Ny taona 2003 anefa dia nivoaka ny lalàna mahakasika ny EPN na « Etablissements Publics Nationaux » ka tafiditra ao anatin’io ny oniversité, lalàna izay milaza fa tsy maintsy didim-panjakàna no mamaritra ny tombontsoa rehetra isitrahan’ny mpiasam-panjakana ka isan’ireny ny tambin-karama na « indemnité ». Ny fampiharana io lalàna io no nahatonga ny « Contrôle Financier » nanaisotra ny « indemnité de technicité » tao amin’ny karaman’ny PAT. Nisy ihany ny vahaolana vonjy maika noraisina nanomboka ny taona 2018 ka hatramin’ity taona 2021 ity, tamin’ny fandoavana azy amin’ny alalan’ny teti-bola voatokana hofampihodinan-draharaha « budget de fonctionnement » izay samy manana ny azy ny isaky ny oniversite. Ny volana may 2021 anefa dia nivoaka ny lalàna mandrara ny fandoavana tambin-karama «indemnité», amin’ny alalan’ny teti-bola fampihodinan-draharaha na « budget de fonctionnement »,…. Niady ny ministera mba haverina ary ho ny taha ambony ny horaisina mba tsy hisian’ny fihenana. Tsy maintsy averina amin’ny mpandraharaha PAT ny « indemnité de technicité » satria isan’ny miantoka ny fivelomana « à caractère alimentaire », noho izany tsy azo tapahina.,… Tsy maintsy arafitra ao anatin’ny fotoana haingana indrindra ny didim-panjakana ahafahana mamerina azy. 3 andro monja no nandrafetana io « projet de décret », ka isan’ny voafaritra ao ny fampitoviana azy ho 320 000 Ar isam-bolana hoan’ny PAT tsy ankanavaka. Efa voasonian’ireo minisitra 4 voakasika izy io, eo am-piandrasana ny fahatanterahany tsy ho ela ny rehetra, hoy ny Minisitra.

Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap