airtel

Sosialy

12-juin-2025

OLAN’NY RANO AO ALASORA

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA

Sample post image

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

12-juin-2025

ny olan’ny rano ao Alasora, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy, omaly. Hatreto mantsy hoy izy dia mbola mijanona ho resabe hatrany ny fampanantenana nataon’ny Ministera tompon’andraikitra ny amin’ny hanamboarana toho-drano ao Sud Ambohipo, akaikin’ny barazin’i Mandroseza hamatsy rano ny mponina manontolo, indrindra fa ireo ambony toerana. Ny kamiaon’ny kaominina hatrany araka izany no mamatsy rano ny mponina ao an-tampon-tananan’Alasora, Miadana, Ambohitromby ary Mahitsy izay efa tsy nisy paompin-dranon’ny JIRAMA nandeha intsony an-taonany maro. Miteraka fatiantoka goavana ho an’ny kaominina tantanany izany raha araka ny fanazavan-dRandriantsoa Jimmy hatrany satria tsy maintsy ampiana sy tohanana ny mponina.
Pati
Legende : Mahatsiaro reraka amin’ny famahana ny olan’ny rano ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Taratry ny fahaiza-manaon'ny tantsaha Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

«Ny fahefa-mividy tsara no ahafahana manatsara kalitao»

Card image cap