airtel

Sosialy

16-avril-2024

OLAN’NY RANO ENY ALASORA

Resabe fotsiny ny an’ny Ministra tompon’andraikitra

Sample post image

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

16-avril-2024

Raha araka ny vaovao azo omaly teny an-toerana mantsy dia maina tsy nisy rano indray ny mponina efa ho andro maromaro izao. Vokatry ny fahavakisan’ilay fantsona lehibe ao Ambatonjara izay simba matetika heverina fa anton’izany saingy nohamafisin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy fa tena tsy misy hifandraisany amin’ny famatsian-drano tokony hataon’ny JIRAMA ao Alasora mihitsy. Vao mainka nitombo isa ireo Fokontany lasibatra noho izany toy ny ao Mahatsinjo, Ampahibato, Ambohimarina ary ny ao Ambohitanety. Ahiana hatrany ny mety hisian’ny fandrahonana hitokona momba ny tsy fisian-drano hataon’ny mponina ao Alasora vokatr’izany hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity. Mikasika ilay fampanantenana nataon’ny Ministry ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana teny an-toerana dia fantatra fa mbola mijanona ho resabe aloha izany. Tsy mbola misy ny famenoana rano ireo bombones isaky ny Fokontany isan’andro. Tsy mbola misy ihany koa ny fametrahana bombones amin’ireo Fokontany mbola tsy manana izany, ny fampidirana jiro amin’ireo forage efa vita kanefa mbola tsy miasa ary ny fanomezana forage avy hatrany ny vahoaka mba hahafahany mampiasa izany. Mbola ny rano vatsian’ny Fikambanana kolorano sy ny avy any an-dobo ihany aloha hatreto no tena mamelona ireo mponina.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap