airtel

Sosialy

19-janv-2023

Sosialy

Olan’ny rano eny Ankatso “Misy miari-tory amin’ny 12 alina mbola tsy mahazo”

Sample post image

Tao anatin’ny 2 volana izao dia nisedra olana ny fisitrahana rano ho an’ireo fonenan’ny mpianatra eny Ankatso. Ho an’Ankatso I manokana izao,

19-janv-2023

hoy ny filohan’ny fikambanan’ireo mpianatra, dia taterina fiara ny ranon’ny JIRAMA vao tonga eny amin’ny paompy. Isan’andro izany no tonga teo aloha fa ankehitriny kosa indray isam-bolana ka mampikaikaika ny mpianatra rehetra, hoy izy. Ireo mpianatra mampiasa rano hanasana lamba sy ny kojakoja rehetra ao an-tokantrano. Ho an’Ankatso II indray dia isaky ny adin’iray isan’andro no mandeha ny rano. Tsy misy azon’ny mpianatra atao fa dia milahatra. Amin’ny 12 alina amin’io no mandeha ny rano ao Ankatso II. Misy miari-tory milahatra nefa tsy mahazo. Ny fianarana nefa henjehina ihany. Mikasika ny trano fonenana kosa moa manoloana ny zava-misy ankehitriny dia samy mifampitsinjo eo aloha izany ny samy mpianatra mifanampy ihany koa amin’ny lafiny fanefana hofan-trano izay tena lafo tokoa, hoy hatrany ny solontenan’ireo mpianatra monina eny Ankatso eny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap