miaraka amin’ny fampiratiana ny sarin’ireo zerikanina mavo na «bidon jaune» mitohy milahatra mameno ny arabe dia mbola tsy mipoitra ihany hatramin’izao ny vahaolana amin’ity olan’ny rano eto Antananarivo ity. Vao mainka miha mafy aza, raha ny fitarainana voaray teny amin’ny boriboritany faha 3 sy faha 5 teny. Ny eny amin’ity farany moa dia efa zary hazo fijaliana tao anatin’ny 5 taona ny hoe amin’ny 5 maraina no tapaka dia amin’ny 11 ora alina fara-faha alohany vao miverina, raha ny voalazan’ireo mponina. Ho an’ny boriboritany faha 3 kosa dia efa manomboka miha mampiakatra hatrany ny fahasorenan’ireo mponina koa izany satria tato ho ato dia mifanakaiky amin’izany ora izany ihany koa ny fiverenan’izany, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirija
Tsikaritra eto Antananarivo amin’izao fandraisana ny Fivoriamben’ny Vaomieran’ny Ranomasina Indianina