airtel

Sosialy

17-déc-2021

Sosialy

ONG MIAROZO MAHA-OLONA Nanolotra fanampiana ho an’ireo zaza sembana tao Ivato

Sample post image

Tsy manadino ireo ankizy manana fahasembanana manerana ireo Fokontany 13 isa mandrafitra ny kaominina Ivato ny ONG Miarozo maha-olona amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

17-déc-2021

 Ankizy manana fahasembanana miisa 50 no notolorany fanomezana toy ny paty, vatomamy,vary…. omaly notarihin’ny filohany Randrianarisoa Jerry. Nambaran’ity farany nandritra izany fa niara-niasa tamin’ny Fokontany izy ireo no nahafahany nijery sy nifantina ireo ankizy manana fahasembanana ireo. Ankoatra izay dia nomarihiny manokana fa fikambanana manampy ny mpiara-belona lasibatry ny tsindry hazo lena eny anivon’ny fiaraha-monina ny fikambanana. Ny resaka lalana no tena hitondrany fanampiana amin’izany. Hatreto raha araka ny fanazavany dia ny resaka ady tany, ny fisarahan-panambadiana no ankamaroan’ireo taratasy voarainy ary efa nanaovany ezaka manokana. Efa tonga any Faratsiho kosa ny fikambanana, ho entina any Faratsiho ka hatrany Manakara.
Pati
Legende : Randrianarisoa Jerry, filohan’ny ONG Miarozo Maha-olona !

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap