airtel

Sosialy

15-oct-2021

Sosialy

Oniversiten’Antananarivo Manamafy ny hetsika ny PAT, mandrahona ny mpianatra

Sample post image

“Efa nihaona tamin’ny tompon’andraikitra rehetra, ka dia miandry eto aloha izahay. Mbola tsy misy fandaharam-potoana mari-pototra aloha, voatery tsy maintsy hihemotra ny fidirana,…

15-oct-2021

 Nametraka ny fifanajana fifanajana izahay, nentina am-pahendrena hatramin’izay. Rehefa hendry ohatr’izao ve ny olona dia havela fotsiny eo. Efa tamin’ny 21 aogositra no nandray vola farany. Efa famonoana anay ankolaka ilay izy, fa tsy maty izahay”, hoy ireo mpandraharahana na PAT (Personnel Administratif et Technique) eny amin’ny oniversiten’Antananarivo nanao hetsika teny amin’ny Esplanade Ankatso omaly. Nilaza izy ireo, fa hitohy ny tolona, ary na hipatrapatraka amin’ny tany azan y rànay tsy hanaiky intsony, hoy ireo mpandraharahan’ny oniversite. Mifanindran-dàlana amin’izany, nanome fe-potoana 72 ora hamahana ny olana ihany koa ny mpianatry ny siansa sy matematika. Isan’ny takian’izy ireo ny famahana ny olan’ny “digitalisation” mahatara ny fisitrahana vatsim-pianarana, fa indrindra ny olan’ny mpandraharaha mampikatso ny fianarana. Mpianatra maherin’ny 700 no mbola tsy nandray vatsim-pianarana ao amin’ny siantsa hatry ny omaly, raha ny nambaran’izy ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap