airtel

Sosialy

18-janv-2021

Sosialy

Orinasa afaka haba Mihena ny fidiram-bolan`ireo mpiasa

Sample post image

Nahitàna fiantraikany tamin` ny famokarana sy ny asa raisin`ireo orinasa afaka

18-janv-2021

 

 

 

 

haba amin`ny sehatry ny lamba sy ireo mpiasa noho ny fiverenan` ireo firenena maro any ivelany indray amin` ny fihibohana. Saika ireo firenena eoropeanina sy amerikanina no firenena anisan` ny manafatra betsaka ireo entana vokarintsika eto Madagasikara. Miantoka ny fahafahana mahazo asa betsaka ho an`ny orinasa ny fisian`ny fitoniana amin`ny lafiny rehetra saingy tsikaritra fa misy fiantraikany amin`ny fanafarana ireo vokatra ho any ivelany ny valanaretina Covid-19. Izany dia miantraika mivantana amin`ireo mpiasa eny anivon` ireo orinasa afaka haba. Tsy vitsy no mitairana satria misy fiantraikany amin` ny fiainana andavanandrony mihitsy ny tsy fisian` ny asa. “Mihena ny ora hiasana ; foana ny tombotsoa kely mba hahazoana ora ambony ampanga (heures supplémentaires)” hoy ny mpiasa iray ao amin` ny orisana afaka haba iray etsy Anosizato. Tsy ny mpiasa ihany anefa no matiantoka fa na ireo orinasa mihitsy aza. Tsiahivina fa mampiditra vola betsaka anaty kitapom-bolam-panjakana amin ny alalan`ny hetra efainy ireny orinasa tsy miankina ireny izay azo heverina fa mbola tsy tafarina amin`izao indrindra ireo orinasa afaka haba mpamokatra lamba.

 Marigny A.

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap