airtel

Sosialy

28-janv-2022

Sosialy

Orinasa Ambatovy Nanolotra vary 10 taonina ho an’ny CUA

Sample post image

Ao anatin’ny ezaka fanampiana vonjitaitra ireo traboina vokatry ny rotsak’orana namely ny faritra maro teto Madagasikara, indrindra, ny teto an-drenivohitra dia nanolotra vary 10 taonina ho an’ny kaominina Antananarivo

28-janv-2022

 Renivohitra (CUA) ny orinasa Ambatovy omaly alakamisy 27 janoary 2022. Izao anjara biriky nentin’ny orinasa izao dia natao indrindra mba ho fanampiana ireo traboina amin’ireo zavatra ilainy tena maika indrindra ary manampy ny ezaka efa ataon’ny CUA amin’ny fandraisana an-tanana sy fikarakarana ireo traboina any amin’ireo toerana natokana handraisana azy ireo eto Antananarivo Renivohitra, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nandray io fanampiana io ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina. « Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana vonjitaitra ireo traboina eto Andrenivohitra Ambatovy amin’ny alalan’ny fanohanana ireo ezaka efa ataon’ny Kaominina Antananarivo, toy ny efa nataonay tao Moramanga omaly », hoy ny filoha lefitra misahana ny fandrosoana lovainjafy ao Ambatovy, Philippe Beaulne, nandritra ny fanolorana ireo fanomezana ireo. Izao tolotra izao dia tohin’ny fanampiana efa nomen’Ambatovy ireo traboina ao amin’ny distrikan’i Moramanga, izay nomena vary 10 taonina, ny alarobia 26 janoary 2022.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap