airtel

Sosialy

19-août-2021

Sosialy

Orinasa SPM Ho avy ny vary 21 400 taonina

Sample post image

Araka ny fampahafantarana nataon’ny orinasa SPM SA (State Procurement of Madagascar), miandry sambo amin’ity faran’ny herin’andro ity sisa ny vary tsinjo 13 100 taonina dia hanainga avy any Inde. Marihana fa izy io dia

19-août-2021

fanampin’ireo vary Tsinjo 8 300 taonina izay efa hanainga any Inde ny zoma 20 Aogositra ho avy izao, hoy io fampahafantarana io. Raha hatambatra dia 21 400 taonina izany ireo vary ambara fa ho avy. Tafiditra ao anatin’ilay vahaolana nambaran’ny Filoham-pirenena ny 8 aogositra ve izany io? Raha tsiahivina dia naneho ny Filoha, fa hisy ny fampiresahana amin’ny mpandraharaha. Namoaka teny ihany koa anefa, fa afaka manafatra sambo 4,5,6 eny hatramin’ny 20 ny Fanjakana amin’ny famatsiana entana ilaina amin’ny andavanandro. Taorian’ny kabarin’ny Filoham-pirenena, ny ampitson’iny ihany dia nisy ny dinika niarahan’ny mpandraharaha sy ny Minisiteran’ny varotra, saingy tsy hita izay tena tapaka. Ny fanafarana vary mora aloha izany no hitan’ny Fanjakana fa hevitra mety, saingy toa tsy nahavaha olana io hatreto na mety mahavita izay ho vitany tokoa aza satria tsy vao izao no nanaovana izany. Vahaolana ao anatin’ny 3 andro no nambaran’ny Filoham-pirenena momba ny fidangan’ny vidim-piainana, izany hoe tsy ny vary ihany fa rehefa entana ilaina andavananandro: vary, menaka, siramamy,… eny hatramin’ny solika aza satria tafiditra azon’ny SPM atao ihany koa ny manafatra solika ary isan’ny antony nananganana azy ny novambra 2019. Andrasana ny vahaolana maharitra sy mafonja taorian’ny fampanantenana nipoapoaka. Mila jerena ihany koa ny fahefa-mividin’ny vahoaka, izay tena ambany dia ambany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap