airtel

Sosialy

13-juil-2021

Sosialy

Orinasam-panjakana SPM Tsy hita izay tena asany 2 taona latsaka aty aoriana

Sample post image

Tany amin’ny volana novambra 2019 no nankatoavana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny fananganana ny orinasam-panjakana SPM (State Procurement of Madagascar)

13-juil-2021

 hanafatra sy hitsinjara entana hoan’ny mponina, ireo entana tena iankinan’ny aim-bahoaka toy ny solika, ireo entana miankina tanteraka amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Io no natsangana dia noho ny fahatsapana fa mitarika fahasahiranana ho an’ny vahoaka ny fiankinan-doa be loatra amin’ireo orinasa izay manararaotra eo amin’ny fitsinjarana sy fanafarana entana avy any ivelany, ka mampidangana ny vidim-piainana izay mila tsy ho takatry ny ankamaroan’ny Malagasy ka tsy mitarika ho amin’ny fandrosoana, araka ny lalantsaina novoizina tamin’izany. Efa ho roa taona aty aoriana isika izao. Mby aiza ny vokany? Tena nipetraka ve ilay SPM sa anarana sisa tsy maty? Tena niasa sy namaha olana araka ny noresahina tany am-panombohana ve ny SPM? Vary mora in-dray na indroa nanafatra no re ary amin’izao vanim-potoana mampamaivay ny krizy ara-politika sy ara-toekarena, indrindra fa ny ara-tsosialy izao vao mifoha kely indray ny hoe: ho avy ny vary 6000 taonina hiatrehana ny tsy fahampiana ato anatiny. Ankoatra izay, solika firy tapitrisa na firy milara litatra ary izany izao no nampidiriny tao anatin’izay roa taona latsaka nisiany izay ary nampiova ny vidiny ve? Mailaka hanangana rafitra sy hanao kisehoseho, fa ny vokatra avy eo tsy hita soritra. Ny vidin-tsolika aloha, dia fiakarana aza no ahiana hiseho satria efa nilaza ny teo anivon’ny Ofisim-pirenena momba ny Akoran’afo (OMH) fa efa tsy mifanaraka intsony amin’ny vidiny iraisam-pirenena ny vidin-tsolika ankehitriny, ary mirona kokoa amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy na “vérité de prix” ny resaka nifamahofaho teo aloha teo. Moa nampiova ny vidim-piainana indrindra ny entana nilaina tamin’ny andavanandro (PPN), toy ny vary, menaka, siramamy,…? Raha ny resaka vidin’ny menaka, zary fomba fialana bala nataon’ny Fanjakana ny hoe miakatra ny vidiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hany ka efa 8000-10 000Ar ny litatra amin’izao. Ny orinasa mpamokatra menaka teto nodorana sy nopotehina noho ny lonilony politika tamin’ny 2009, hany ka ny karana no manao izay danin’ny kibony amin’izay tiany hatao. Nambaran’ny depiote iray avy any Toamasina aza ny volana martsa 2021 lasa teo, fa izay orinasa mpamokatra menaka te hisokatra dia gafiana fa iray ihany no manjakazaka eto. Moa tsy izany no efa namotehana ny hafa? Ny vidim-bary moa dia lasa fihomehezana ilay hoe: ny kapoaka no hamboarina hanara-penitra. “Tsy takatry ny kely vola izao ny atody” satria efa 650-750Ar ny vidiny amin’izao. Tsy ny atody ihany fa ny zava-drehetra, ka aingam-panahy tsy hiakatra amin’izao efa tsy hiakatra intsony ka miandry ny “meditation 2021” ny rehetra e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap