airtel

Sosialy

16-mars-2021

Sosialy

OTIV Boeny Mangahiahy fotsiny sisa ireo mpikambana nanana petrabola tao

Sample post image

Mahatsiaro voarirarira ireo mpikambana nanana petrabola tao OTIV Boeny.

16-mars-2021

 

 


 Nazava ny tatitry ny filankevitry ny minisitra natao tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny alarobia 06 janoary 2021 milaza fa tsy maintsy haverina ny ampahany amin’ny volan’ireo mpikambana. Araka io tati-baovao io hatrany dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV Boeny. Ary, tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana. Telo volana aty aoriana, tsy mbola misy mangirana ny famerenam-bola hoy ireo mpikambana manana petrabola tao. Tsy very hafoy nefa koa tsy hita hantenaina ny volanay mihitsoka ao amin’ny OTIV Boeny, hoy izy ireo. Alefa mankany amin’ny Paositra izahay, fa hoe efa nisy fifanarahana eo amin’ny PAOMA (Paositra Malagasy) sy ny OTIV Boeny rehefa noraisin’ny fitondram-panjakana an-tànana mivantana famahana ny olan’ny OTIV Boeny, amin’ny alàlan’ny fidirana an-tsehatry ny Ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra. Nisy ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa mikasika izay famahana ny olan’ny OTIV Boeny izay tao Antananarivo. Rehefa tonga any amin’ny Paositra anefa izahay dia milaza indray ny ao fa tsy mbola misy resaka mikasika izany famerenam-bolan’ny mpikambana tao amin’ny OTIV Boeny izany. Very fanahy izahay, hoy ireo mpikambana, izay nomena fampanantenana fa ho voavaha tamin’ny jona 2019 ity olana ity nefa hatramin’izao manjary tompony mangatak’atiny.

Jean D.

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap