airtel

Sosialy

17-juin-2021

Sosialy

Ozinina famokarana sakafo any Atsimo Halefahana ny haban-tseranan’ny Fondation Mérieux

Sample post image

Nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 16 jona ny fandraisan'ny fanjakana an-tànana ny haban-tseranana sy ny hetra manokana

17-juin-2021

 

 

 

 momba ny fampidirana “containers” misy famokarana fanampin-tsakafo eto Madagasikara. Ny 15 martsa 2021 lasa teo, teto Antananarivo, ny Fondation Mérieux dia nanambara ny fahavononany hanampy an'i Madagasikara amin'ny ady atao amin'ny tsy fanjarian- tsakafo amin'ny alalan'ny fametrahana ozinina famokarana fanampin-tsakafo ao Tolagnaro ho an'ireo mpianatra any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara, hoy io tatitra io. Vonona hanolotra maimaim-poana ihany koa “containers” fanampiny misy fitaovana famokarana fanampin-tsakafo ity “Fondation” lehibe ity. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny “Fondation Mérieux” sy ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena dia ankizy miisa dimy alina (50.000) any amin'ny faritra Anosy sy Androy no hisitraka ny vokatrio ozinina lehibe famokarana fanampin-tsakafo io, ka hahatratra 600 taonina isan-taona ny famokarana. Marihina fa hozaraina maimaimpoana any amin'ireo toeram-pisakafoanana an-tsekoly na “Cantines scolaires” maro izany. Resy lahatra amin'ny vokatra tsara ateraky ny fisian'izany ozinina izany sy ny tombontsoa entiny ho an'ny daholobe, indrindra ho an'ny ankizy any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena koa izany indrindra no nangatahana io fanalefahana haban-tseranana sy fanalefahan-ketra manokana io, hampidirana ireo containers misy famokarana fanampin-tsakafo natolotry ny Fondation Mérieux ireo.

 

Tsiahivina fa efa ny 4 aogositra 2020 nandritra ny kabariny nivantana avy tany Atsimo no nilazan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa ho avy afaka iray volana sy tapany ny Ozinina Nutriset izay fiaraha-miasa amin’ny Fondation Mérieux, ary miverina resahina io indray ankehitriny. Andrasana indray ny ho fahatanterahany, ary irariana mba tsy ho toy ny tramway nolazaina fa efa any anaty sambo tamin’ny tetezamita.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap