airtel

Sosialy

13-févr-2023

Sosialy

Pastera Heritiana « Tena mila fitandremana io fihetsem-po mahafaty tampoka io »

Sample post image

Betsaka ireo olona maty vokatry ny fihetsem-po tato ho ato. Ankoatra ireo tapaka lalan-dra noho ny fahatairana sy ny hafaliana na koa noho ny hatezerana dia tsy vitsy ireo tsy miverina intsony ny ainy rehefa misy zavatra tena

13-févr-2023

mahakasika ny fony manokana. Porofon’izany ny fisian’ireo olona roa namoy ny ainy tamin’ny fandresen’ny ekipam-pirenena Barea farany teo. Raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala dia miankina amin’ny zavatra mibahana ao anatin’ny fon’ny olona iray no mety hahatonga izany na tsia. Raha baolina ohatra no tena tiany ary hanokanany fotoana manokana sy handrian’ny sainy mihitsy dia mety hahafaty azy tampoka izany raha misy fandresena na faharesen’ilay ekipa tohanany. Raha ny vadiny kosa no tena tiany ka sanatria maty tampoka ity farany dia mahavita mamono tena manaraka an’iny ihany koa izy na dia manan-janaka mbola tokony hisahanina aza. Mila zarazaraina ny zavatra ao am-po araka izany hoy hatrany pastera Heritiana. Misy ny hatokana ho an’ny asa, misy ny hatokana ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra, misy ho an’ny ankohonana, misy ho an’ny namana sy mpiara-miasa arahin’ny fahaizana mandanjalanja.
Pati
Legende : Mila mahay mandanjalanja ny zavatra atao eo amin’ny fiainana isika, hoy ny Pastera Heritiana Randriarimalala
 

Dans la même rubrique

01-déc-2023

Raha toa ka tany amin’ny laharana faha-119 firenena 121 isika ny taona 2022 teo amin’ny tondro maneran-tany

Card image cap
28-nov-2023

Voasokajy ho firenena mahantra sy fadiranovana indrindra maneran-tany i Madagasikara,

Card image cap
28-nov-2023

Miha mikaikaika i Antananarivo amin’ny fahatapahan-drano lavareny,

Card image cap
28-nov-2023

Tafakatra 700 Ar sahady ny iray amin’ny atody akoho amin’izao eny an-tsena raha efa misy

Card image cap