airtel

Sosialy

25-mars-2022

Sosialy

Paul Rabary “Aza manantena raha mbola tsy voafehintsika ny sandam-bola”

Sample post image

Tsy mbola fotoanan’ny fanaovana tomban’ezaka ho an’ny filoham-pirenena izao kanefa na izany na tsy izany dia efa akaiky ny fiafaran’ny fe-potoam-piasany, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary.

25-mars-2022

6 volana mialohan’ny hiafaran’ny taom-piasany izy tsy maintsy miala, hoy izy. 4 taona sy tapany izany no fe-potoana raha ny tena marina fa tsy 5 taona, raha io lalam-panorenana napetrany io. Mahita ny vita sy tsy vita isika, raha ny fanatanterahana ny Velirano no resahana, ary indraindray aza misy tsy ao fa natao. Ohatra hoe Kianja Barea. Ny teleferika koa efa feno fandavandavahana eran’ny tanana. Betsaka amin’ireo velirano izany no hananan’ny fitondrana eo amin’ny 2 taona latsaka eo no hanatanterahana azy dia miara-mahita eo isika hoe inona no vita sy tsy vita? Fotoanan’ny tekinolojia sy ny fahalalahana amin’ny ankapobeny ary fahafantarana amin’ny ankapobeny izao. Tsy misy ohatran’ny teo aloha intsony hoe manao fampanantenana poakaty dia adinon’ny olona fa amin’izao fotoanan’ny Facebook sy tekinolojia izao dia voatazon’ny olona daholo ny horonantsary sy kabary rehetra. Hampitahaina amin’izay fotoana izay hoe inona no nampanantenaina dia inona no tanteraka, inona no vita sy tsy vita? Tombony amin’ny fampiasana tekinolojia ny tsy fahafaha-miala amin’ny fampanantenana natao. Tsy tokony atao fiafenana na fialana bala ny ady any Okrainina satria miatrika izany izao tontolo izao. Toy izany koa ny Covid. Misy ary hisy fiantraikany eto ireo. Ny fanamafisana orina ny vola Malagasy eo anatrehan’ny vola vahiny izany no tokony atao. Mbola tsy hitan’ny masoko aloha izay politika izay hatreto. 62 taona izao nitotongana foana ny volantsika. Isika anefa manafatra entana dia ny dikan’izay na ady any Okrainina io na tsia, na Covid na tsia dia hitotongana foana ny vidim-piainana. Mety midangana kokoa satria misy Covid sy Okrainina fa ny lalam-piainan’ny vola Malagasy mihitsy no mampitotongana ny farim-piainana eto Madagasikara. Aza manantena raha mbola tsy voafehintsika ny sandam-bola. Na hilamina fehizay aza izao tontolo izao dia hidangana foana ny fiainantsika, hoy hatrany ny tenany, rehefa tsy mampidi-bola vahiny betsaka eto Madagasikara isika.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap