airtel

Sosialy

10-mars-2022

Sosialy

Pr Sammy Gregoire Ravelonirina “Manangona sy mitehiriza dieny izao”

Sample post image

Tsy afa-bela amina karazana fahasarotana na krizy ny vahoaka Malagasy, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES, sampana Antananarivo,

10-mars-2022

Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, omaly. Misy ny krizy vokatry ny valanaretina COVID 19, hoy izy. Nanampy trotraka koa ny toetr’andro ratsy na rivodoza. Manginy fotsiny ny olana manerana izao tontolo izao izay mandindona antsika ary marina ny filazan’ny mpahaitoekarena hoe na tiantsika na tsia dia tsy maintsy hisy fiantraikany ara-tsosialy sy toekarena aty amintsika ny vokatry ny ady hifanandrinan’I Okrainina sy Rosia. Ny ady ataon’izy ireo, amin’ny maha firenena madinika ahitana vahoaka miaina anatina taham-pahantrana lalina toa an’I Madagasikara, dia tena mety tokoa ny fanapahankevitra noraisin’ny fitondram-panjakana izay nisafidy ny tsy hiandany fa hitazana fotsiny ihany. Marina fa mety misy antony nahatonga ny ady. Mety nisy fifanarahana tany aloha tsy voahaja. Tokony jeren’ny andaniny sy ankilany, na hoe fotsiny aza ny fizarana ho ankolafin’ny tandrefana sy tatsinanana izao tontolo izao tamin’ny andro teo aloha. Tsy maintsy miaro ny tombontsoany koa ny firenena tsirairay, indrindra, ny firenena matanjaka. Isany ny firenena faharoa matanjaka indrindra, ara-pitaovam-piadiana toa an’I Rosia mba tsy hietraketraka amin’izay heveriny ho mpifanandrina na mpifahavalo aminy.

TOKONY HIOMANA, MANANGONA DIENY IZAO
Mihevitra ny SECES manoloana izany rehetra izany fa tokony hiomana ny vahoaka Malagasy. Raha misy ny azo atao dia manangona sy mitehiriza dieny izao. Nefa moa anaty fahantrana lalina. Ny hanina anio tadiavina rahampitso. Mba tsy hilazana hoe efaina trosa rahampitso. Izay no zava-misy iainana ankehitriny. Saobakaka am-body rihana ka dia miandry ny higadonany izany. Ankinina amin’ny finoana angamba dia Andriamanitra no andrandraina manoloana ny zava-misy. Tokony hiezaka hamantatra manontolo ny tahirina sakafo, indrindra, filana an-davan’andro misy eto Madagasikara ny fitondram-panjakana mba tsy hampihary ny mpanararaotra ka hivarotra amin’ny vidin’ny lafo izany amin’ny vahoaka Malagasy avy eo. Tokony hamoaka didim-panjakana mialoha sahady ny fitondram-panjakana hisorohana ny mety ho fanararaotana ataon’ny mpivarotra na mpamongady. Efa tokony hanafatra, araka izay azo atao, koa ny fitondrana, na io solika na solika mavesatra na mety filana an-davan’andro avy any ivelany dieny mbola tsy miakatra ny vidiny eo amin’ny tsena iraisampirenena. Raha tsy hisy ny fepetra ho raisina dia ho kere ny faritra miisa 23 ary entanina tsy hifanararaotra isika vahoaka fa ny hiafarany hifampihinana velona eto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique