ity akory dia nitohy omaly indray ny fananganana izany fotodrafitrasa izany. Efa mahatratra hatrany amin’ny 4 metatra ny haavony raha araka ny hita teny an-toerana omaly, pylone eo an-tokontanin’ny CSB II sy ny CEG, toerana misy marary sy be olona mifamezivezy izay tsiahivina hatrany fa tanin’olon-tsotra fa tsy tanim-panjakana. Fanontaniana hapetrak’ireo fokonolona araka izany ny antony mbola hanaovan’ny fanjakana amboletra amin’ny fananganana ity pylone ity arahin’ny tsy firaharahiana ny kaominina izay tompon’andraikitra voalohany eny an-toerana. Raha araka ny fanazavan’ny ARTEC mantsy dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena izy io izay tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka ihany koa raha tena marina izany fa tsy sanatria hanome fahasahiranana ny vahoaka indray ka hanaparitaka aretina mety hamoizana aina. Raha araka ny loharanom-baovao azo omaly hatrany moa dia efa nandefa taratasy fampitsaharana ny asa any amin’ireo tompon’andraikitra misahana izany ny kaominina Ampitatafika notarihin’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha. Efa nanome vahaolana rahateo ny kaominina ny amin’ny hamindrana ity pylone ity any an-tandrembohitra na koa manamorona iny lalam-pirenena voalohany iny izay tsy misy olona betsaka mipetraka.
Pati
Legende : Mitohy tahaka izao ny fananganana ilay pylone !
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.