airtel

Sosialy

28-janv-2022

Sosialy

Rado Ramparaoelina “Tokony hadinoina aloha ny resaka politika rehefa misy traboina”

Sample post image

Nandray anjara betsaka tamin’ny fandraisana an-tanana ireo traboina eto Ampitatafika ny kaominina, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Rado Ramparaoelina.

28-janv-2022

 Nandray anjara ihany koa, amin’ny maha olompirenena eto, ny tenanay, hoy izy. Isan’ny nanome “groupe” maimai-poana tsy ofaina ary izany no miantraikitra ny jiro eto amin’ny CEG Faliarivo, izay handraisana ireo traboina. Ny solika no iantohan’ny kaominina. Teo koa ny minisiteran’ny mponina izay nanome fanampiana vary sy laoka. Nanome vary hatrany am-piandohana koa ny kaominina satria mbola tsy vonona tamin’izany na ny BNGRC aza. Nanatitra vary 6 gony sy laoka ny BNGRC omaly (TTF: ny alarobia teo). Faliarivo sy Benasandratra moa no toerana handraisana ireo traboina. Avy eto aho dia naheno hoe hisy kamiao hiditra eto. Tsy anjaran’ny ben’ny tanana ny miandry kamiao hiditra fa misy tomponandraikitra isan-tsokajiny. Ao ny BNGRC sy zandarimaria. Mba nijery ny traboina any Benasandratra koa izahay ka tsy hoe nandritry ny fotoana nialanay teto nankany no hilazana hoe nitsoaka ny ben’ny tanana. Raha ratsy ilay izy dia nitsoahanay. Amin’ny fo feno fitiavana no hanaovanay izao fa tsy misy vola ity raha ivelomana. Ny an’ny tena aza no manaraka. Andriamanitra no nametraka ny tena eto dia manao asa soa satria vahoakan’Andriamanitra ireo. Mbola nandray ny association Fitia sy ny solontenan’ny BNGRC tonga teo izahay nialohan’ny nankanesana tany Benasandratra. Isak’izay misy hetsika ve izany dia tsy maintsy hatrehin’ny ben’ny tanana? Amin’io kamiao iray nitondra vary 6 gony amina 50 kilao isanisany. Misy tomponandraikitra afaka mandray izany sa sanatrian’izany tsy misy olona azo itokisana ankoatran’ny ben’ny tanana eto amin’ny kaominina? Efa mifangaro politika izany. Tokony hadinoina tanteraka aloha ny resaka politika sy loko politika rehefa misy traboina fa aleo ny vahoaka no jerena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny Rado Ramparaoelina nanazava ny zava-misy tamin’ireo traboina
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap