airtel

Sosialy

22-juil-2021

Sosialy

Rafanomezantsoa Jean Nirina « Ny fampandraisana andraikitra ny fokonolona ihany no vahaolana »

Sample post image

Misy ny asa fampandrosoana mandeha eto amin’ny firenena raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy no sady filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA.

22-juil-2021

Anisan’ireny ny fananganana foto-drafitrasa izay nomarihiny fa tena nampiavaka ny filoha Andry Rajoelina. Somary mandringa ihany anefa izany hoy izy rehefa ny fokonolona no tsy omena andraikitra. Tahaka izao ny resadresaka nifanaovany tamin’ny gazety Tia Tanindrazana.
MAIKA
Maika ny fampandraisana andraikitra ny fokonolona ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina raha tiana ny hampandrosoana haingana ny firenena. Entanina handray andraikitra izy ireny hoy izy ary raha azo hatao dia terena mihitsy mba hahatsapany fa olom-pirenena tompon’andraikitra eto amin’ny taniny izy. Anisan’ny hahatsapan’ny fokonolona izany ihany koa hoy izy ny fanatanterahana ny fifidianana izay ho filoham-pokontany. Hanjary hahatsapa mantsy ny tsirairay hoy izy fa manana andraikitra tamin’ny fametrahana izany filoham-pokontany izany ka hazoto amin’ny asa fampandrosoana tokony hotanterahina no sady ho saro-piaro amin’ny asa vita ihany koa. Notsiahivin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa anisan’ny miteraka zava-tsoa maro no sady mamerina ny soa toavina Malagasy ny fanomezana andraikitra ny fokonolona. Hihatsara noho izany mantsy ny fihavanana hoy izy ka hirindra ho azy ny fiaraha-monina ary hahay hifanampy ny mpiara-monina fa tsy hiolonolona tahaka izao.
NAHAVITA FOTO-DRAFITRASA BETSAKA
Tsy midoika akory izany hoy izy fa tsy miasa ny fanjakana saingy mandringa ihany izany rehefa ny fokonolona no tsy hapetraka amin’ny toerana tokony hisy azy. Nosinganiny manokana ny foto-drafitrasa izay mampiavaka ny filoha Andry Nirina Rajoelina raha oharina amin’ireo mpitondra nifanesy teo aloha. Tena betsaka izany hoy izy ary manara-penitra avokoa saingy tokony hojerena hatrany ny fokonolona. Kitro hifaharan’ny fampandrosoana ireto farany hoy hatrany Jean Nirina Rafanomezantsoa raha hay ny mikarakara sy mikolokolo izany. Ho an’ity filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy ity moa dia anisan’ny tena foto-kevitra hijoroany ny fanandratana ny maha-Malagasy . Anisan’ny antony nirotsahany amin’ny asa fitsaboana nentim-paharazana izany mba hanehoana amin’ny firenena any ivelany rehetra fa mahay ny Malagasy ary firenena navahan’Andriamanitra sy notahiany i Madagasikara amin’ny alalan’ireo zava-maniry marobe hananany.
TSY MANAO DOKAM-BAROTRA
Na izany aza dia nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy manao dokam-barotra izy ireo. Amin’ny alalan’ireo olona sitrana avy ato amin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA ihany hoy izy no hahatongavan’ireo olona tsy salama marobe manerana ny Nosy ato aminay. Ny observation Clinique no manaporofo izany hoy izy tao anatin’ny 18 volana nijoroanay fa tsy ohatra ny sasany izay milaza fa mahavita fahagagana ka vao tapa-bolana monja dia mahasahy milaza fa nahavita nampiteraka vehivavy momba sy nampitsangana ny malemy. Na izany aza tsy mitsabo marary any an-trano ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA. Tsy maintsy jerena izay fototr’aretina mahazo ilay marary hoy izy, tsaboina mian-dalana izy mandritra izany ary arahi-maso akaiky hatrany. Manomboka amin’ny 10.000 Ar ka hatramin’ny 80.000 Ar ny manao izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy misy fanararaotana. Notsiahiviny moa fa tsy mampiasa ny fitaovan’ny dokotera izy ireo no sady tsy manindrona ihany koa. Tsy mandidy ihany koa izy ireo fa mandevina ny aretina ao anatin’ilay olona marary kosa. Ho azy manokana indray dia notsindriany fa tsy mpitsabo ny tenany ary tsy ho mpitsabo fa mpandrindra fotsiny ihany.
TAFS RAMAFANDRAHONA
Nohantitranterin-dRafanomezantsoa Jean Nirina hatrany moa fa olona notsaboina tao aminy Tafs Ramafadrahona, tompon’andraikitra eo anivon’ny Santymad. Mbola mpiasa novolavolaina tato amin’ny FITRAMA avokoa hoy izy ireo nalainy sy noraofiny nankany aminy ary mbola traikefan’ny FITRAMA no hampiasainy. Afaka manao avokoa anefa ny rehetra hoy izy raha ny resaka fitsaboana nentim-paharazana no resahina saingy tsy tokony hifanaratsy kosa na hifanambany na koa manapotika ny hafa fa tokony samy hijoro haneho ny maha-izy azy. Marihina moa fa mitsabo ny aretina rehetra ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA ankoatra ny taolana tapaka. Miantomboka amin’ny fanadihadiana ny fitsaboany olona iray, mandalo amin’ny fijeren’ny mpitsabo, tonga any amin’ny fihinanana fanafody, miotra , ary ny fanaraha-maso ny fahasalamana tsy an-kiato mandrapahasitrana.
IRETO TOERANA MISY NY FITRAMA
Ireto avy ny toerana ahitana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy : Alakamisy Fenoarivo eo amin’ny tsena ampitan’ny Cecam : 034 82 780 44 Ivato : 034 82 780 44- Diego, eo amin’ny le Scama akaikin’ny MAXIME : 0341661089 Fenoarivobe : 034 68 792 92 -Ambohimanarina, eo anelanelan’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe : 0347044308- FITRAMA Itaosy : 0342680250. F ITRAMA : 034 79 76721. FITRAMA Toamasina :0346440964. FITRAMA Toamasina Tanamakoa eo amin’ny barazy alohan’ny OTIV : 0346440964. FITRAMA Fianarantsoa II: 0347222869. FITRAMA Fianarantsoa II Antanandolo : 0347222869. FITRAMA Ambohimahasoa : 0343998040. FITRAMA Ambositra amoron’ny RN47, : 03420788 87. FITRAMA Ambatofinandrahana : 0342078887. FITRAMA Mananjary : 0345958130 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Antsohihy : 0340777975 . FITRAMA Toliara : 03431357 19. FITRAMA Toliara ihany saingy ao Andaboly : 0343135719. FITRAMA Ampanihy : 0343135719. FITRAMA Morombe :0343135719. FITRAMA Marovoay: 0346093854. FITRAMA Alatsinainy Bakaro : 0344325286. FITRAMA Manjakandriana : 0341420471. FITRAMA Moramanga: 0349047201. FITRAMA Ambatolampy : 0345604753. FITRAMA Antsirabe : 0348644008. FITRAMA Mahitsy : 0341337538. FITRAMA Ankazobe : 0347454064. FITRAMA Imerintsiatosika : 0342985042. FITRAMA Arivonimamo : 0343162120. FITRAMA Miarinarivo : 0340831838. FITRAMA Tsiroanomandidy : 0341257000. FITRAMA Morondava : 0347079995. FITRAMA Andramasina : 0345376962 . FITRAMA Anosizato Atsinanana : 0348278044. FITRAMA : 0346879292. FITRAMA Ankadindratombo : 034 09 840 70. FITRAMA Andoharanofotsy : 0348102943. FITRAMA Ambohimangakely : 0344681889. FITRAMA Ambohitrimanjaka : 0341789345. FITRAMA Imerimafovoany : 0342610515. FITRAMA Ankadikely Ilafy : 0340935341. FITRAMA Sabotsy Namehana : 0340935341 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Mahajanga : 0347670705. FITRAMA Ifanadiana Centre :0344005162. FITRAMA Fenerive Est : 0345615534. FITRAMA Brickaville : 0346396502. FITRAMA Ambatondrazaka : 0343046767 .
Pati
Legende : Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy no sady filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap