airtel

Sosialy

13-avril-2022

Sosialy

Raharaha Antanandrano Miantso fitsarana am pahamarinana i Naivo Raholdina

Sample post image

Tonga nidina teny Antanandrano ary nahita ireo fasan drazan’ireo mpandova miady amin ny orinasa Telma ny vaomiera mpanadihady ny aditany miverimberina eto Madagasikara izay tarihin’ny solombavambahoaka Naivo

13-avril-2022

Raholdina, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Miampy 405 isa indray ny fitarainana eny anivon’ny antemieram-pirenena ankoatra ireo an-jatony tonga talohan’ny 31 desambra na dia efa mifarana aza ny fandraisana izany. Mpanadihady fa tsy mpitsara ny vaomiera, hoy i Naivo Raholdina. Noho izany dia miantso ny minisitry ny fitsarana mba hanara-maso akaiky ity raharaha ity ny vaomiera ary miantso ihany koa ireo izay hitsara ity raharaha ity hitsara am-pahamarinana sy amin’ny feon’ny fiheritreretany. Satria efa milamindamina ny resaka Covid-19 sy ny voka-dratsin’ny rivodoza farany teo dia nanohy ny asany indray ny vaomiera mpanadihady ny ady tany miverimberina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ka nidina ifotony teny Antanandrano, izay aditany mampifanolana amin’ny orinasa Telma sy ireo mpandova ny tany izy ireo omaly. Nitaraina ireo mpandova fa mahatsiaro tena voan’ny tsindry hazo lena eny anivon’ny fitsarana satria efa 20 taona io ady io teny amin’ny tribonaly. Efa in-18 izy no nandresy kanefa miverina hatrany amin’ny voalohany indray ny fitsarana dia lasa resy indray izy ireo ary na dia mbola mandeha aza ny eny amin’ny fitsarana ambony dia efa misy fanatanterahana vonjy maika ny didy na “execution prévisoire”. Avy hatrany dia manao tamboho ny orinasa Telma kanefa ny ady tsy mety vita ary nasehony ireo vaomiera mpanadihady koa fa tena tanindrazana misy ny fasan-drazan’izy ireo io tany io. Hanao tatitra amin’ny tompon’andraikitra ny vaomiera hoy i Naivo Raholdina ary manao antso avo amin’ny minisitry ny fitsarana mba hanara-maso akaiky ity raharaha izay efa nampiahiahy ny vaomiera ka nisiana olana tamina minisitra iray teo aloha ity. Tsy ara-dalàna na “non imbis in indem” izany raharaha averina tsaraina izany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap