airtel

Sosialy

30-janv-2024

Raharaha Bas Mangoky

Miitatra ny disadisa eo amin’ny fikambanana FIMA

Sample post image

Nanao fanambarana omaly ireo mpikamban’ny FIMA na Fikambanan’ny masikoro

30-janv-2024

Arivolahy ao Atsimo andrefana rehefa nandalo tao amin’ny foibe nasionalin’ny FIMA izay tsy nanakana izao hetsika izao, raha ny fanambaran’izy ireo. Misaotra ny fitondram-panjakana izahay, hoy izy ireo, ny amin’ny zanakay ao amin’ny governemanta. Tsy avy amin’ny FIMA ny fanambarana nataon’andriamatoa Elia Rabevahiny ao amin’ny Otrikafo izay lazainy fa avy amin’ny FIMA. Voizina ao amin’ny tambazotran-tserasera izany, ary indrindra, ny fanonontononana anaran’olona izay tsy manaja ny zon’ny ahiahiana na “présomption d’innocence” miendrika fanendrikendrehana tsy hananana porofo. Tohina izahay amin’izany zavatra izany. Mety misy ny olana momba ny tanin’i Bas Mangoky. Manao zavatra tsy mora fa izany dia midika voapetraka ny lamina mikasika ny fizaran-tany atao any. Miaraka aminay eto dia misy solontenan’ny CAT na “Commission de distribution des terres” izay tomponandraikitra amin’izany ary nanazava tsara taminay ny toe-javatra misy any. Aoka isika hiandry ny valin’ny fanadihadiana, hoy hatrany izy ireo! Tetsy ankilany dia nilaza moa ny filohan’ny antoko politika Otrikafo fa norahonana ho samborina ny tenany ary noterena hanao fandisoana na “démenti” izay voalazany momba ity raharaha Bas Mangoky ity saingy tsy hiverina amin’izay voalazako aho, hoy izy. Miitatra araka izany ny disadisa eo amin’ny fikambanana FIMA manoloana ity raharaha Bas Mangoky ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap