airtel

Sosialy

29-févr-2024

Raharaha Bemahatazana Antsofinondry

Hanome tany 2 hektara ireo mponina

Sample post image

ny orinasa sinoa Meiji Araka ny fifanarahana teo

29-févr-2024

anatrehan'ny fiadidiana ny repoblika dia hanome tany 2 hektara ireo mponina rava trano ny orinasa sinoa Meiji, ilay orinasa naka ny tany sy nandrodana ny tranon'ireo mponina teny Bemahatazana Antsofinondry, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Mandeha ny fandaminana momba izany, araka ny nambaran'ny solotenan'ny mponina. Tsiahivina fa trano manodidina ny 15 isa no narodan’ity orinasa ity teny an-toerana ny herinandro teo. Nisy tamin’ireo mponina no tapaka lalan-drà, safotra, very fanantenana tanteraka, mazava ho azy, nanoloana ny zava-niseho. Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao, noho izany, ny hoe nandrasana hiharan’izany rehetra izany ve ireo mponina vao mody hoe omena tany? Aiza izany izy ireo no hipetraka? Izay ve no mba fandraisana andraikitra mba hitan’ny fitondram-panjakana ho azo atao azy ireo? Tena hamaha ny olan’ireo tokantrano ve izany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique