fepetra taorian’ny fitsapana…
Mpiasa miisa 33, noraisina niasa tao amin'ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale), tamin'ny volana Novambra sy Desambra 2024 no sakanan'ny Tale Jeneralin'ny APMF (DG APMF), ankehitriny, haverina hiasa na efa misy didim-pitsarana mamerina azy ireo hiasa miampy taratasin'ny Minisiteran'ny Asa sy ny Fampanan'asa ary ny Asam-panjakana aza. Noroahana tsy ara-drariny ny taona 2025 izy ireo fa hoe : nisy trangana kolikoly, hoy ny ampahany vaovao niparitaka ny faran’ny herinandro. Andaniny, namoaka filazana ny APMF omaly 19 oktobra mahakasika ny satan’ireo mpiasa 33 voaray nandritra ny taona 2024. Nambaran’ny APMF fa ireo mpiasa ireo dia noraisina tamin’ny fifanarahana arak’asa nandritra ny volana novambra sy desambra 2024, saingy mbola tao anatin’ny fotoam-pitsapana (période d’essai) tamin’izany fotoana izany. Tsy nahafa-po ny valin’ny fanombanana natao tamin’ny fiafaran’ny fotoam-pitsapana ka nosafidiana ny tsy hanohy ny fifanarahana, ary nampahafantarina azy ireo tamin’ny alalan’ny taratasy fanapahan-kevitra an-tsoratra, hoy io rafitra io. Notsindrian’ny APMF fa nisy raharaha ara-pitsarana natombok’ireo mpiasa voakasika, saingy tsy mbola misy didim-pitsarana farany manome rariny ny fangatahana hamerenana azy ireo amin’ny toerany. Nambara fa ny andininy faha-31 ao amin’ny Code du travail (Lalàna laharana faha-2024-014 tamin’ny 14 aogositra 2024) dia mamaritra ny famerenana amin’ny toerana raha toa ka misy fanarahana ara-pitsarana teo anelanelan’ny fotoam-piasana ka niafara tamin’ny fanagadrana vonjimaika sy didim-pitsarana farany manafaka ny voampanga. Milaza araka izany ny APMF fa tsy mifandraika amin’ny toe-javatra misy ireo mpiasa 33 anefa izany fepetra izany. Mikasika ny raharaha momba ny PAC (Pole Anti-Corruption ), nilaza ny APMF fa ny didim-pitsarana nivoaka dia mifandray amin’ny fanenjehana ara-pamaizana noho ny resaka kolikoly, ary tsy manome baiko hamerenana ireo mpiasa ireo amin’ny toerany eo anivon’ny APMF. Nambara fa efa voaloa avokoa ny karama sy ny « solde de tout compte » an’ireo olona voakasika, izay heverina ho porofon’ny fahatapahan’ny fifandraisana ara-piasana. Nohamafisin’ny APMF ihany koa fa satria tapitra ara-dalàna ny fifanarahana nandritra ny fotoam-pitsapana, dia tsy misy adidy ara-dalàna hamerenana ireo mpiasa amin’ny toerany, ary tsy voakasiky ny fomba fandraisana mpiasa ankehitriny ataon’ny APMF ireo olona ireo satria tsy mahafeno fepetra…
Toky R