io toerana io izay mbola misy disadisam-pitsaràna mizotra ka hiandrasana valim-pitsaràna. Voaporofo avokoa ankehitriny ny hosoka sy fampiasàna hosoka nataon’ilay sinoa milaza fa mpitantana ka naka vola tamin’ireo mpivarotra nanofa ny toerana, hoy ny fanazavana. Miisa 120 ny tranoheva na ny Box fivarotana misy manofa eo amin’ny tranombarotra Tia shop Analakely ary miisa 140 izany ho an’ny ao Tsaralalàna. Na dia nisy aza ny didy mampiditra am-ponja miandry ny valim-pitsaràna ho an’ilay sinoa antsoina hoe Gu Feng, tamin’ny volana jolay dia mbola nitohy nandoa hofan-trano tany aminy ihany ireo mpivarotra eo Analakely sy Tsaralalàna. Nilaza ny vadintany fa tsy mandoa hofan-trano intsony manomboka izao ireo mpivarotra fa mampiasa maimaimpoana ny toerana mandram-pisy ny valim-pitsaràna. Manoloana ity tranga ity dia nilaza ny tompon-trano fa tsy hanaiky intsony izao tsindry hazo lena izao ary efa nitondra ny porofo rehetra ny hosoka nataon’ilay sinoa antsoina hoe Gu Feng. Efa any am-pelatanan’ny fitsaràna ny porofo rehetra ary efa nahoraka an-gazety ihany koa ny raharaha. Ankoatra izay rehetra izay dia nitondra sora-baventy mba ho fanairana ny fitsaràna Malagasy manoloana ity raharaha ity tetsy ivelan’ny tranom-barotra tetsy analakely sy tetsy tsaralalàna ireo tompon-trano. Notadiavin’ny mpanao gazety kosa fa tsy hita teny an-toerana ilay sinoa mpitaky ny hofan-trano.
J. Mirija
Legende: Nitokona ireo tompon-trano
Ankoatran’ny hoe tsy mihinana in-3 isan’andro intsony dia efa tsy vitsy koa ankehitriny