airtel

Sosialy

29-avril-2021

Sosialy

Ramatoa Rafara Tsy avelan’ny mpampiasa azy miasa raha tsy mahavita fitiliana

Sample post image

Renim-pianakaviana iray mpiasa an-tranon’olona Ramatoa Rafara. Tamin’ny herinandro anefa dia nitaraina ho tsy mahare fofona sy mafana hoditra izy ka tsy

29-avril-2021

 

  navelan’ireo mpampiasa azy hiasa intsony raha tsy mahavita test. Teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka izy araka izany no nandeha izay nomarihiny fa lany andro 2 teo ho eo vao voaray noho ny hamaroan’ny olona. Ankehitriny miaina anaty tebiteby mafy indray ny tenany miandry ny valin’izany. Eo am-piandrasana fiantsoana avy amin’ny tompon’andraikitra mantsy ity Renim-pianakaviana ity izay nomarihiny fa tsy mampandry andro aman’alina mihitsy noho ny tahotra. Miakatra hatramin’ny tosi-drany raha araka ny fanazany. Eo an-daniny anefa hoy izy raha sanatria ka tratry ny valan’aretina Covid 19 aho dia hatahorako ihany koa ny ain’ireo zanako roa raha tsy afaka ny hampiasa ahy intsony ihany koa ireo mpampiasa ahy satria mbola kely anaka ihany koa. Marihina moa fa mbola olona marobe no milahatra hanao tets eny amin’ny Village Voara amin’izao ka ny ankamaroan’izy ireny dia mpiasa eny anivon’ny orinasa avokoa.

Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap