airtel

Sosialy

03-mai-2021

Sosialy

Randrambao sendikaly “Mitohy ny tolona, hatambaro ny hery”

Sample post image

Nanao fanambarana ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ny asa tetsy Anosy ny faran’ny herinandro teo ny Randrambao

03-mai-2021

 

 

sendikaly na SSM fa maneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo “kamarady” lavon’ny valanaretina izy ireo ary mirary fanasitranana haingana ho an’ireo mbola mitsabo tena. Araka ny lohahevitra noraisin’ny sampan-draharaha iraisampirenena momba ny asa na OIT ao anatin’izao fankalazana izao dia tsapa fa mbola maro ny ezaka atao momba ny fiahiana ny mpiasa, ny fiarovana ireo asa efa misy, famoronana asa, ny fiahiana ny ara-pahasalamana sy sosialin’ny mpiasa rehetra. Marihina manokana ireo fahaverezana asa maro sy tsy fitsinjovana ny olona marary toy ny mpampianatra tsy miankina, mpampianatra FRAM, mpanao asa tanana, mpiseradia, mpitatitra sy ny sisa. Maro ny lesoka mila iaraha-manarina eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny mpiasa ary mila hatsaraina ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa sy ireo politika sy didy aman-dalana mifehy ny asa. Marihinay, hoy hatrany izy ireo, ireto zava-misy mianjady amin’ny mpiasa ankehitriny ireto ary mbola tsy voavaha. Voalohany ny tsy fifandanjan’ny karama amin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Faharoa, tsy fandoavana ny “indemnité d’installation” an’ireo mpiasa ara-potoana sy misotro ronono araka ny lalàna. Tsy fahampian’ny famatsiana fanafody sy fitaovana eny amin’ireo sampana misahana fahasalamana anivon’ny minisitera rehetra ho fanamafisana fiahiana ara-pahasalamana sy sosialy ho an’ny mpiasa tsy miankina. Ny tsy fahampian’ny fampitaovana hiarovana ny mpiasa hiatrika Covid 19 sy ny fitaovam-piarovana manokana. Ny tsy fanarahana ny tenin’ny filoham-pirenena mikasika ny tsy tokony hiasan’ireo mpiasa marefo. Mbola maro izy ireo no teren’ny tompon’andraikitry ny minisitera sy asa hiasa ka mamoy aina noho izany. Nampahatsiahy ny SSM fa angady nananana sy vy nahitana izao fitondrana izao kanefa ireo fahavalon’ny tolona indray ankehitriny no omena laka ary tsy nisy fiovana ny fomba fiasa eny anivon’ny minisitera na maro aza ny fitakian’ny sendika teny an-kianja. Miantso ny mpiasa izy ireo, noho izany, hiaro ny zony ary nanamafy fa mitohy ny tolona, atambaro ny hery.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap