hoy ny sekretera jeneraly, Barson Rakotomanga, farany teo fa nanidy varavarana moa ny mpitantana ny CNaPS fa hoe mivory. Efa nilaza izahay hoe hisy ny filankevitry ny CIPRES na “Conférence Interafricaine de la Prévoyance Sociale” ho atao any Genève manomboka anio (TTF: omaly 1 jona). Niteny isika hoe ahoana no hifanazavana anatin’io sehatra io? Hatramin’ny taona 2016 izay nidirantsika tao amin’ny CIPRES dia niha ratsy ny fitantanana ny CNaPS nefa isan’ny fitsipika iray ao anatin’ny CIPRES ny fisiana fitantanana mitovy sy tokony fanaovana fanadihadiana. Nanao fitsirihana tany Togo, Niger, Cote d’Ivoire ny “inspecteur regional” an’ny CIPRES izay misahana ny fiahiana sosialy ny taona 2021. Niha ratsy ny fitantanana ny CNaPS eto nefa toy ny mahazo sitraka na “label” indray izy ireo. Izany hoe diso ny tatitra tonga any. Nandefa taratasy any moa izahay hanazavana ny tena zava-misy ary nandefasana toy izany koa ireo rafitra eto amin’ny firenena. Ny andrasana moa dia hoe ho tafita any amin’ity rafitra iraisampirenena ity ny hafatra. Faharoa, misy fitsipi-pifehezana ao ahafahan-drizareo manao fitsirihana eto. Misy fitakiana karazany 7 any, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Legende: Barson Rakotomanga
Nanapa-kevitra ny hanangona ireo vy manodidina ny toerana misy ny orinasa ireo mpiasa any amin’ny Orinasa Kraoma any Brieville,
Tsy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany no miaka-bidy eny an-tsena amin’izao. Ho an’ireo tantsaha mpamokatra ihany koa mantsy dia midangana izaitsizy ny vidin’ny zezika,
Sambany nitsidika ny faritra atsimon'i Madagasikara izay tratry ny haintany ny Ambasadaoro Amerikana Pierangelo. Nanamafy ny fanohanan’i Etazonia ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika
Miomana amin’ny taom-pambolena manaraka ny tantsaha ao amin’ny Kaominina Fiombonana Distrika Antananarivo Atsimondrano.
Nahazo vary avy tamin'ny fitondram-panjakana tarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Mpiasan'ny SECREN ((Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navales)