airtel

Sosialy

13-mai-2022

Sosialy

Randrana sendikaly “Ny hetra alaina amin’ny orinasa no tokony ahena”

Sample post image

Tsy misy tokony hahagaga raha tsy any am-ponja intsony tokoa ny tale jeneralin’ny CNAPS, hoy ny Randrana sendikaly, omaly naneho ny heviny mikasika ny feo mandeha fa tsy any intsony ity tomponandraikitry ny CNaPS teo

13-mai-2022

aloha ity. Tsy vao izao no nahenoana izany, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga, fa efa hatramin’izay no rehefa heno hoe misy olona ambony voakitikitika amin’ny resaka tribonaly sy fonja dia hoe tsy hita avy eo. Ny fanontaniana lehibe tokony hipetraka izao dia hoe manao ahoana ny eo anivon’ny CNaPS amin’izao fotoana izao. nametraka fitoriana eny anivon’ny Bianco iny moa ny Randrana sendikaly. Mandeha ny fanadihadiana ary ho avy hanontany ny fivoaran’izy iny izahay. Miisa 4 lehibe ny fitakianay raha tsiahivina. Eo ny hoe asondroty 30% koa ny fisotroan-drononon’ireo raiamandreny satria tsy manana fialantsiny ho tsy manam-bola intsony izany izao ny CNaPS. Faharoa ilay hoe omeo ny fisotroan-drononon’ireo raiamandreny, ilay natao famerim-bola na “remboursement” iny. Fahatelo ny mikasika ny lalana mifehy ny fiahiana sosialy. Tokony hatsaraina io satria tena fositra mampisotro tangena ireo raiamandrenintsika. Fahaefatra moa ilay hoe raha handeha tokoa io 33.000 ariary nambaran’ny minisitry ny vola ho fisondrotan-karaman’ny sehatra tsy miankina ho alohan’ny fanjakana dia namaly an-taratasy moa ry zareo raha toa ka napetrakay ny 8 mey ny fitakianay dia hoe miankina amin’ny lalana sy fampiharana ny lalana no ahafahana mikajy sy manatanteraka izany. Efa nalefa any amin’ny tomponandraikitra sahaza azy koa ny mikasika ny sata miaro ny lafiny sosialy. Mikasika ilay 33.000 dia hoe aleo aloha hivoaka ny didim-panjakana. Mibaribary izany izao fa tena tsy mahay ny andraikiny ny mpitantana ao amin’ny CNaPS ao. Izay no tena maha lasa hanaovan’ny fanjakana sy tomponandraikitra fakana vola azy fotsiny. Tsy tokony ao amin’ny CNaPS hono no mipetraka ny fitakianay. Ny CNaPS no mikirakira ilay volanay ka tomponandraikitra voalohany izy noho izany. Tokony mijery ny olan’ny mpiara-miombon’antoka aminy izy satria misy fitantanana ankapobeny sy filankevim-pitantanana ao. Sosokevitra no tokony arosony fa tsy lalana no resahana anatina fitakiana. Manomana ny hetsikay manaraka moa izahay satria tsy azo ekena izao fomba fitantanana izao. Ny mpampiasa tsy maintsy imenomenona sy hilaza ho maty antoka foana na ariary aza miditra any am-paosin’ny mpiasany. Ny tokony atao ao an-tsaina fotsiny dia miasa ny mpiasa, noho izany, mendrika ny fivelomana sahaza azy. Ny hetra alaina amin’ny orinasa no tokony ahena ahafahany manao izany, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Legende: Ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap