airtel

Sosialy

04-mai-2023

Sosialy

Randrana sendikaly «Saribakoly fotsiny ve ilay minisitry ny asa?»

Sample post image

Niandry fanambarana ofisialy ny rehetra tamin’ny fetin’ny asa teo hoe hisy ny fisondrotan-karama saingy tsy nisy na inona na inona, hoy ny Randrana sendikaly.

04-mai-2023

Na ny minisitry ny asa aza tsy mba niarahaba ny mpiasa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Ety am-boalohany dia efa mampiheritreritra hoe tsy nanolo mpiara-miasa ny minisitra vaovao. Mbola ilay fomba fiasan’ny minisitra teo aloha izay nokihanin’ny Randrana sendikaly hatramin’izay fa tsy mampandroso ny asan’izany minisiteran’ny asa izany ihany ve no mbola ho entin’ity minisitra vaovao ity sa efa hoditr’akondro sahady no azony dia tsy miteny? Andro iray anatin’ny taona ho an’ny mpiasa handinihiny ny momba ny fipetraky ny zony ny 1 mey nefa dia tsy niharaban’ny minisitra tomponandraikitra azy akory. Voahaja ve izany zony izany any amin’ny toeram-piasany? Namoaka didim-pitondrana ny minisitry ny asa, ny minisitry ny indostria, ny minisitry ny vola tamin’ny taon-dasa fa manokana ny karama kanefa izany karama izany dia nofaritan’ny lalana ho antony mafonja ao amin’ny andininy faha 11 ao amin’ny lalana 2023-044. Tsy raharahahian’ny fanjakana mihitsy no dikan’izao ny mpiasa. Fanontaniana ho an’ny minisitra vaovao ny hoe inona izany no hahatongavany eo? Hanao inona? Maninona no tsy natao toy ny tamin’ny fampiakarana saran-dalana ho 600 Ariary io resaka fampiakarana karama io? Nisy mpitatitra tamin’ireny saika hampiakatra mihoatra hoe aleo 700 na 800 kanefa vitan’ny fanjakana ny nanery hoe 600 ihany. Isika maheno vaovao ireny hoe banky ropitra ny fanjakana. Mbola miandry vola ho trosaina any amin’ny banky iraisampirenena amin’ny volana jona vao hanome fanampiana ny mpampiasa amin’ilay fifamenoana. Tsy nosainina ve ireny fanapahan-kevitra tamin’ny herintaona ireny fa taitaitra fotsiny nefa tsy manana izany vola hanampiana ny sehatra tsy miankina izany ny fanjakana? Na ny mpiasam-panjakana aza tsy voaloha ny karaman’ny ECD sy ny tariny dia inona no itetatetana amin’io? Izao bokan-trosa. Izao vao miala hoe aleo ankinina amin’ny sehatra tsy miankina ihany ilay izy. Tsy to teny amin’ny tompon’orinasa intsony ve izany ny fanjakana? Tsy afaka mamoaka lalana ve izy hanery hoe tsy maintsy ity no karama farany ambany? Saribakoly mipetraka eo fotsiny ve izany ilay minisitry ny asa, hoy hatrany ny Randrana?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap