airtel

Sosialy

09-juin-2022

Sosialy

Randrana sendikaly “Tsy amin’izay laoniny ny fanambaran’ny CNAPS

Sample post image

Henonay ny fanambaran’ny CNAPS, hoy ny Randrana sendikaly, hoe miandry didy fampiharana iny fisondrotan-karama iny.

09-juin-2022


Talohan’iny moa dia hoe mitaky ny latsakemboka avy amin’ireo orinasa, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga. Fantantsika tsara isa-telo volana izany no arotsaka any amin’ny CNAPS. Ireo fanambarana teo aloha izany dia ho an’ny telo volana teo aloha. raha misy fikitihana izany ity dia ho an’ny 3 volana manaraka. Any amin’ny jolay fara faha tarany any izany no fandrotsahana ny latsakemboka. Dia izay izao no fanontaniana mipetraka hoe nalohan’ny fanjakana ve ilay fanampiana an’ny mpampiasa na “charge patronale” sa ny orinasa ihany no handoa azy? Tsy niandry moa ny Randrana sendikaly fa tonga dia nanao taratasy nankany amin’ny praiminisitra hoe vola hafa mihitsy no tokony haloan’ny fanjakana fa tsy izany. Tsy tokony afangaro ny fitantanam-bolan’ny sehatra tsy miankina sy fanjakana. Raha handoa ilay 30.000 ariary ny fanjakana dia tokony hanao lentsin-trosa any amin’ny resaka hetra izy. Arotsaky ny mpampiasa any amin’ny fanjakana tsinona ny hetra. Volan’ny fanjakana iny avy eo dia ny fanjakana no miteny hoe hanalana amin’ity izany ny anareo dia mihena. Nandefasanay izay taratasy izay koa ny minisitry ny vola, ny minisitry ny asa manoloana iny fanambaran’ny CNAPS iny satria ny CNAPS izany efa milaza sahady fa te hiala amin’ny filazana hoe ny mpampiasa no mandoa ilay “charge patronale” sa ny fanjakana? Izay ilay mampikorontana ny sain-ny rehetra ka valianay hoe tsy tokony ho ny fanjakana no mandoa izany “charge patronale” fa ny fanjakana dia alainy any amin’ny hetra ilay 30.000 ariary. Ahena ny hetra alohan’ny mpampiasa. Tahaka izay izany ilay sosokevitra narosonay any amin’ny praiminisitra. Tsy efa niomanana ve moa ireny fanapahan-kevitra ireny no mbola tsy mivoaka ihany hatramin’izao ny didy fampiharana? Tsy amin’izay laoniny ny fanambaran’ny CNAPS io aminay, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Legende: Ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap