airtel

Sosialy

09-févr-2023

Sosialy

Randrana sendikaly “Tsy mila kandida tsy hijery sosialin’ny mpiasa”

Sample post image

Nihazakazaka ny Randrana sendikaly vao naheno hoe hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka ny fitondram-panjakana nijery hoe inona no tena maika, indrindra, aty amin’ny sehatra tsy miankina,

09-févr-2023

hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Ny sosialy voalohany aty amin’ny sehatra tsy miankina, hoy izy, dia ny CNAPS. Eo koa ny resaka fahasalamana misy ny “service médicale inter-entreprise”. Ireo no rafitra 2 ngeza be kitihina vao mikitika sosialy eto Madagasikara. Tsy azo atao tsinontsinona ny mpiasa aty amin’ny sehatra tsy miankina raha ny resaka isa fotsiny aloha satria ny mpikamban’ny CNAPS fotsiny no efa manodidina ny 800.000 isa. Mbola be dia be anefa ny voalazan’ny tale jeneralin’ny CNAPS teo aloha ilay niditra am-ponja vonjimaika iny ny orinasa tsy manara-dalana, izany hoe tsy mampiditra ny mpiasany anaty rafitra sosialy. Tantely afa-drakotra izao ny CNAPS. Tsy misy fiverenany aty amin’ny mpiasa mihitsy nefa misy tanan’ny fanjakana anaty fitantanana azy. Miafina anaty lalana ny mpitondra sasany anatin’ilay tsy fahaiza-mitantana dia ny mpisotro ronono lasa misotra tangena. Tsy zarizary ny sosialin’ny mpiasa toy ny resaka tambiny hiatrehana loza na volan’ny bevohoka. Andrasan’ny mpiasa izany ny fanavaozana ny lalan’ny asa satria io foana no lazain’ny mpiasan’ny CNAPS fa tsy hahafahana manatsara ny rehetra ao. Izay mpitondra nifandimby rehetra teo tsy nikitika io lalana io mihitsy nefa afaka raisina isam-bolana izany fiahiana sosialy izany. 2013 sy 2016 no nisy fikitihana kely andininy. Tokony fanavaozana tanteraka mihitsy anefa izao no atao. Ny 2010 efa nisy izay fanavaozana izay saika natao fa niantona tao amin’ny governemanta, izany hoe fanjakana. Ny fanjakana mihitsy izany no manakana ilay fanavaozana. Toy izany koa ny resaka fiahiana ara-pahasalamana satria lazain’ny mpampiasa hoe fisorohana na “prevention” no anjaran-drizareo dia na mpiasa tokony hiditra hopitaly aza dia ‘’paracetamol” ihany no omena azy. Te haka ny fon’ny tsy miankina ny filoham-pirenena satria akaiky ny fifidianana ary dia miteny mihitsy izahay hoe tsy mila kandida tsy hijery sosialin’ny mpiasa izahay! Ny mampiavaka azy indrindra moa dia ny karama ka raha tsy hitazona ny karama 250.000 Ariary ny fanjakana fa hampidina hoe 238.000 dia tsy mijery sosialin’ny mpiasa izy izany. Mila hatsaraina ny resaka fiahiana sosialy, fahasalama ary karaman’ny mpiasa, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap