airtel

Sosialy

24-août-2022

Sosialy

Randrana sendikaly “Tsy misy karama azo ampidinina izany”

Sample post image

Samy manana ny fiteniny ny mpampiasa sy ny fanjakana izao mikasika ny resaka fampiakarana karama, hoy ny avy eo anivon’ny Randrana sendikaly.

24-août-2022

Milaza ilay 9,9% ny mpampiasa na hoe 217.000 Ariary, hoy ny sekretera jeneraly, Barson Rakotomanga. 250.000 Ariary no notenenin’ny fanjakana ary milaza ny hanampy mba handraisan’ny mpiasa izany karama farany ambany izany izy ireo. Anjaran’ny fanjakana sy ny mpampiasa no mandamina ny lalana ho fandrindrana izany. Mamokatra no asan’ny mpiasa ka rehefa tonga ny fotoana handraisan-karama dia mandray izany izy. Ny fantany dia 250.000 Ariary ny karama farany ambany anaty taratasy na “bulletin de paye” iray ihany fa tsy 2 na mihoatra. Nametraka taratasy any amin’ny ramatoa minisitra izahay anio (TTF: omaly) hoe misahotaka ny any amin’ny toeram-piasana. Miady ny sendika sy mpampiasa satria mbola betsaka ireo mpiasa manana sokajin’asa ankoatran’ny M1, toy ny M2 hatramin’ny OP1 aza no latsaky ny 250.000 Ariary ny karamany. Ataon’ny orinasa fialonkalofana iny hoe manjary ianareo tomponandraikitra indray no kely karama noho ilay mpiasa mpanatanteraka raha ohatra ka akarina io fa aleo miandry. Dia mifampiandry eo. Ny M1 mitaky hoe akaro ny anay. Ny amboniny koa mitaky hoe akaro koa ny anay fa manjary lasa kely noho ny an’ireto mpiasa entina ireto. Tara 2 volana ilay didim-pitondrana. Lasa mampiady ny mpiasa sy ny sendika indray io rehefa navoaka satria tsy navoaka ilay tovana tao anatiny. Miheritreritra ve izany ny fanjakana sy ny mpampiasa fa tsy tokony hiakatra ny karaman’ny mpiasa manomboka eo amin’ny OEC no miakatra? Ny fanjakana nampiakatra 10% ny vidim-piainana tamin’ny lalana mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana. Ny vidin-tsolika niakatra 42%. Ny fitaterana misy miakatra 50%. Miakatra daholo na vidim-panafody na vary na kojakoja samihafa. Mampiakatra hofan-trano ny tompon-trano. Ny sekoly mampiakatra saram-pianarana. Ny fitaovam-pianarana koa miakatra daholo dia ahoana moa no tsy hilazana hoe ampiakaro daholo ny karaman’ny mpiasa? Anjaran’ny fanjakana sy ny CNT no manao ny tovana mifanaraka amin’iny didim-pitondrana iny satria efa be dia be koa ny orinasa mitokona amin’izao. Tsy misy karama azo ampidinina izany ao anaty lalana fa mahagaga koa ny maheno hoe amin’ity taona ity ihany ny fanjakana no mamatsy hahatonga ilay 250.000 Ariary. Any amin’ny hetra ianareo no manaova letsin-trosa, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.

J. Mirija


 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap