airtel

Sosialy

23-nov-2021

Sosialy

Rano 1 bidon miloko mavo Tsy tokony hihoatra ny 50 Ar ny vidiny eny am-potony

Sample post image

Betsaka ireo olona manararaotra ny amin’ny tsy fisian-drano vokatry ny haintany amin’izao ka manao izany ho lasa bizina.

23-nov-2021

 Nanambara ampahibemaso anefa ny JIRAMA omaly fa tsy tokony hihoatra ny 50 Ar ny vidin’ny rano iray bidon 20 litatra miloko mavo miala eny am-potony. Tokony ho 100 Ar araka izany ny vidin-drano 1 bidon tonga any an-trano raha misy olona mpatsaka… Ho an’iny faritra Andranonahoatra Itaosy iny anefa dia efa mahatrata 200 na 300 Ar ny vidin’ny rano iray bidon miloko mavo tonga any an-tokantranon’ny tsirairay avy. Tafakatra 600 Ar mihitsy izany ho an’ireo manana fiara mitatitra izany mankany amin’ny faritra misy azy ka tafiditra ao anatiny ny vidin-tsolika sy ny karaman’ireo mpampiakatra sy mpampidina rano. Na izany aza anefa dia miantso ny rehetra hatrany ny JIRAMA fa tsy tokony hihoatra ny 50 Ar ny hamarotan’ny olona ny rano iray bidon miloko mavo 20 litatra miala eny am-potony.
Pati
Legende : Tsy tokony hihoatra ny 100 Ar tonga any an-trano ny vidin’ny rano iray bidon miloko mavo 20 litatra
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap