airtel

Sosialy

23-mai-2022

Sosialy

Ranomasina avadika ho ranomamy Nahomby ny andrana tany Androy

Sample post image

Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahana ny andrana momba ny fikarohana namoronana fitaovana famadihana ny ranomasina na « déssalinisation »

23-mai-2022

ho lasa ranomamy, izay natao tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Erada Faritra Androy. Ny injeniera Avotriniaina Ravelo no nitondra izao voka-pikarohana izao any Androy.Voalaza fa nahitana vokatra avy hatrany ny andrana. « Araka ny vokatra hita sy ny filazan'ireo Vahoaka nisotro ilay vokatra azo dia tena mitovy amin'ny rano fampiasa andavan'andro ilay rano azo. Gaga sy talanjona izy ireo noho izany”, hoy hatrany ny tatitra. Nomarihina fa andrana no natao, ary mbola fitaovana kely no nampiasana ka kely araka izay ihany koa ny vokatra azo. “Ny tsy fahampian-drano no fototry ny olana (kere sy haintany) aty amin'ny Faritra Androy. Vonjy tavanandro Tompoko io fizarana vola sy sakafo ho an'ny Vahoaka aty Androy io. Miandrandra vahaolana maharitra (rano) avy amin'ny Fitondram-panjakana ny Vahoaka aty Androy”, hoy ny antso avon’ny olom-pirenena. Ary heverina fa anisan’izany ity famadihana ny ranomasina ho rano fisotro ity.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap