an'ireo ankizy sy mpilalao mpikambana, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. nontanterahina ny faran’ny herinandro teo izany ka niavaka kely tamin'ity taona ity, hoy ny fanazavana, satria tafakatra 1,850 taonina ny lamba nozaraina ho an'ireo mpikambana rehetra izay mitotaly 450 isa. Ahitana ny sokajy zandriny indrindra ka hatrany amin'ny sokajy zokiny na «senior» lahy sy vavy izany. Mitohy hatrany ny fitaizana sy fikolokoloana ny ankizy amin'ny alalan'ny «école de rugby» na sekolin’ny baolina lavalava ary ezahina ny hivelaran'izany amin'ny sehatra maro samihafa. Isaky ny alarobia hariva sy ny sabotsy maraina no fotoana fanaovana fanazarantena ho an'izany. Manomana mafy ny sokajy vehivavy izay ao anatin'ny «Top 5 fédérale» ary miandrandra vokatra amin'izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.