airtel

Sosialy

23-nov-2021

Sosialy

Renirano miha ritra Efa manana vahaolana amin’ny famatsian-drano ny Jirama

Sample post image

Vahaolana efa tena lavitr’ezaka no tanterahin’ny Jirama amin’ny alalan’ny famatsiana rano fisotro madio mivantana ny mponina rehefa miharitra tanteraka ny renirano.

23-nov-2021

 Ho an’ny station de traitement napetraka etsy Anosizato ohatra dia efa tena miakatra tanteraka ny loto avy ao amin’ny renirano ka ahiana hanimba ilay milina. Toraka izany koa ny eny amin’iny faritra Alasora sy Ampitatafika iny. Tsy maintsy manafatra citerne mamatsy rano ireo mponina tena sahirana araka izany ny Jirama. Indray mandeha na in-droa isan’andro no hanatontosan’izy ireo izany miankina amin’ny filan’ilay faritra hahafahana miady amin’ny tsy fisian-drano. Raha araka ny fantatra moa dia bombona miisa 180 no efa napetraky ny Jirama teto amin’ny faritra Antananarivo sy Analamanga hatramin’ny nisian’ny olana nateraky ny tsy fahampian-drano teto amintsika izay. Mamatsy olona an’aliny isan’andro izany ho enti-miady amin’ny tsy fahampian-drano.
Pati
Legende : Tahaka izao ny famatsiana rano ny mponina
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap
22-avril-2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Card image cap
19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap