airtel

Sosialy

18-janv-2021

Sosialy

Renirano ritra Atsimondrano no tena voa mafy

Sample post image

20% amin`ireo mponina ao amin` ny faritra Atsimondrano no misehatra amin`ny fambolena.

18-janv-2021

 

 

 

1 300 Ha ny lemaka ajariana hambolem-bary rehefa fahavaratra nefa amin`izao zara raha 1 200 Ha no ajariana. Ahiana no mety hisian` ny fihenan` ny voka-bary raha toa ka mbola hitohy ao anatin`ny 15 andro ny tsy fisian`ny orana, hoy ny solombavambahoaka voafidy ao amin`ity distrika ity. “Mafy ny zava-misy eny Atsimondrano. Ny orana no tsy misy. Ranon`Ikopa tsy misy intsony ka mijaly ny mpamboly. Ho an`ny voka-bary dia ho ratsy ny vokatra. Amin`izao dia mamboly vary tsaika no volena amin`izao ka miandry orana milatsaka ny mpamboly. Ireny anefa rehefa vokatra dia lasa akofa ny ankamaroany”, hoy izy. Nambarany hatrany fa tsy arotsadrotsaka fahatany ny orana artifisialy na dia efa nisy solombavambahoaka nangataka izany ho an`ny faritra misy azy tamin` ny taon-dasa fa misy fepetra arahina . Raha tsy feno izany dia very fotsiny ny vola, hoy ity depiote ity. Ankoatra ny mpamboly dia seha-pihariana maro no sahirana amin` ny faharitran`ny reniranon`i Sisaony sy Ikopa. Sahirana, araka izany, ireo vehivavy manasa lamba, mpanjono, mpanihaka, mpanarato, mpampiampita amin’ny lakana sy mpaka fasika ka mitaraina mafy.

 

Marigny A.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap