airtel

Sosialy

01-févr-2023

Sosialy

Reny manan-janaka sembana Misy hilaozan’ny vadiny ny sasany

Sample post image

Ny Reny no anisan’ny miharitra ny mafy indrindra eto an-tany. Ankoatra ny fitondrana vohoka mandritra ny 9 volana mantsy dia tsy maintsy mbola miatrika fiterahana izy ireny ankoatra ny fitaizana.

01-févr-2023

Iarahan’ny vehivavy rehetra miatrika sy manatontosa ireo voalaza etsy ambony ireo fa ny tena mangidy indrindra hatrehin’izy ireny dia ny fitaizana zaza tratry ny fahasembanana ara-batana na koa ara-tsaina. Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona renim-pianakaviana iray dia miainga any amin’ny vady andefimandry io olana io. Misy ireo mahavita milaza mihitsy fa tsy zanany ilay zaza rehefa sembana. Manomboka kamokamo mody ihany koa ny lehilahy sasany rehefa tsy ahitany tsirony ny miara-miaina amin’ilay zaza ka misy mahavita manam-bady hafa mihitsy izy ireny raha tsy manome vola kosa ny sasany. Ilay reny niteraka anefa eo an-daniny tsy afa-miala hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity. Ho azy manokana dia vao teraka ilay zanany lahikely voalohany dia efa tsy nahay nijery tsara. Tsy mba nahay ninono ihany koa no sady tsy nahay nipetraka. Enin-taona tany ho any vao nandeha izy ka tsy maintsy nobabena hatrany rehefa misy raharaham-pianakaviana aleha. Fahanana ihany koa rehefa mihinana…Efa 35 taona moa io zanany sembana io amin’izao raha araka ny nambarany saingy mbola tsy mahay miteny ihany ka tsy maintsy karakaraina sy arahi-maso isan’andro. Zary lasa fahazarako hoy ity renim-pianakaviana ity ny mihaino ny fosafosan’ny fianakaviana sy ny mpiara-monina saingy tiako ny zanako ka tsy hatakalo na iza na iza.
Pati
Legende : Zioga isan’andro entin’ireo renim-pianakaviana manan-janaka sembana ny fikarakarana azy ireny tsy miato
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap