airtel

Sosialy

14-juin-2022

Sosialy

Sabotsy Namehana Nampitroatra vahoaka ny famonoana an’i Sarobidy

Sample post image

Niteraka savorovoro teny Sabotsy Namehana ny trangam-piarahamonina iray niseho teny an-toerana. Nitroatra mantsy ny vahoaka teny an-toerana omaly noho raharaha fahafatesana tovolahikely antsoina hoe

14-juin-2022

Randriamanantsoa Tafita Sarobidy, vao 11 taona, monina eny Analamahitsy, ka ny mpampiasa asa no voarohirohy ho nahavita ny habibiana. Ny 8 jona teo no voalaza efa nanao filazana ombay noho ny tsy fahitana azy ny fianankaviany. Mpiasa mpikarakaraka tanàna tao amin’ny fianakaviana iray izy, ka noho ny tsy fahalalany dia voalaza fa notapahany ny rongony izay naniry tao amin’ny faritra iasany io. Tezitra noho ny fanimbana izany volin-drongony izany ny mpampiasa ka nanao herisetra sy fampijaliana ary habibiana taminy raha fanazavana vonjimaika. Raha ny fitantaran’ny olona, dia nofatorany ilay zaza ary nasainy nototoin'ny omby. Rehefa tsy naninona dia nosaritiny tamin'ny fiara indray. Ny herisetra sy habibiana natao azy no voalaza fa nahafaty tovolahy kely ity, ary teny amin’ny Reniranon’i Mamba no nahitana ny nofo mangatsiakany ny maraina teo. Nitroatra avy hatrany kosa ny vahoaka vao nahare ny fahitana ny razana, ary nirohotra nikasa hanao fitsaram-bahoaka ireo voarohirohy. Nodoran'ny fokonolona ireto fiara roa ambany ireto vantany vao nahare fa hita kanefa maty i Sarobidy. Nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ihany koa izy ireo. Niditra an-tsehatra, tonga nandamina teny an-toerana ny Ben'ny tanàna an'i Sabotsy Namehana niaraka tamin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena, hany ka voasoroka ny fitsaram-bahoaka. Na izany aza noho ny hatezeran’ny olona, nodoran’ireto vahoaka efa nafana rà sy vonton-katezerana ny fiara miisa roa an’ireo ahiana ho nahavanon-doza.
EFA VOASAMBOTRA
Efa voasambotra, ary atao andrimaso any amin'ny zandarimaria ilay voarohirohy ho tomponantoka tamin'ny famonoana an'i Sarobidy. Voatazona miaraka aminy ny reniny sy mpanampy telo lahy. Anio kosa no haterina any amin’ny fasan-drazany any Manjakandriana ity tovolohahikely namoy ny ainy ity. Mirary fionona feno ho an’ny fianankaviany isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
MIRONGATRA BE NY FITSARAM-BAHOAKA
Mirongatra ny fitsaram-bahoaka tato ato. Vao ny alahady teo no nisiana sakoroka mitovitovy amin’izao tao an-dRenivohitry ny distrikan’i Manja ao anatin’ny faritra Menabe. Nahiana ho mpangala-jaza sy mpangalatra taova ny olona miisa 5 nandeha fiara tsy mataho-dalàna, hany ka nopotehin’ny olona ilay fiara, ary notakiany hatao fitsaram-bahoaka ireo voarohirohy. Vao tsy ela no nisy fitsaram-bahoaka niafara tamin’ny famotehana fiara teny Andoharanofotsy noho ny fahitana faty nokasaina hariana,… Tsy kely làlana ny ratsy, ka mila mitandrina ny rehetra. Mila fehezina ihany koa anefa ny fihetsika satria fandikan-dalàna ny fitsaram-bahoaka. Manampy trotraka izany ny mety ho fisiana tondro molotra ka sanatria ny tsy manan-tsiny no ho lasibatra. Manana andraikitra goavana ny Fanjakana sy ny mpitandro ny filaminana, ary tokony hafainganina ny fomba fiasa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap