airtel

Sosialy

20-sept-2021

Sosialy

Saika hifindra monina an-tsokosoko Malagasy 53 indray no tratra tany Mayotte

Sample post image

Kazarana sambo kely na ireny antsoina hoe: Kwassas ireny miisa 6 no tsikaritry ny tafika an-dranomasina tatsy Mayotte ary nosambotin’ny borigady an-dranomasina sy ny polisy mpiaro ny sisin-tany,

20-sept-2021

 ary zandarimaria ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Olona 120 no voasambotra tao anatin’izany, ka ny 5 tamin’ireo dia ireo mpampita sy mpitatitra. Amin’ny maha departemanta Frantsay an’I Mayotte, noho ny fanetsehana ny Minisitr’I Eoropa sy ny raharaham-bahiny, ary ny tafika misahana ny fandriampahalemana ao an-toerana, ny DASAC. OI (Aviation Civile Française), ary noho ny fanekena sy fifanarahana tamin’ny governemanta Malagasy, dia mpitsoa-ponenana antsokosoko 53 avy aty Madagasikara no naverina an-tanindrazana tamin’ny alalan’ny sidina an’habakabaka ny sabotsy takariva. 24 ora taorian’ny nahatongavan’izy ireo no natao ny fampodiana, ka notemerin’ny polisy mpiambina ny sisin-tany ireto mpitsoa-ponenana antsokotsoko ireto tamin’io fampodiana io, hoy ny vaovao avy any ivelany. Omaly alahady, nanao ny fombafomba nampisintahana hanalavitra an’I Anjouan Kaomorianina miisa 58 noho izy ireo tsy ara-dalàna sy misy pitsopitsony maro tsy milamina ihany koa ny polisin’ny CRA. Voalaza fa efa fanao io, ary anatin’ny fahaiza-manao tanteraka. Naneho ny fisaorana sy fankasitrahana ireo mpitandro ny filaminana miandahy miambavy nanao izay ho afany na an-dranomasina na an-tanety tamin’ny ady amin’ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna any aminy ny Préfet-ny Mayotte Thierry Suquet izay iraka manokan’ny governemanta manoloana ny vokatra azon’izy ireo. Ao anatin’ny antsoina hoe:: “Opération Shikandra” ny ao Mayotte amin’izao fotoana izao, hiadiana amin’ny firongatry ny mpifindra monina tsy ara-dalàna. Raha tarafina amin’ity toe-javatra ity, mibanaka tanteraka izany ny sisin-tanin’I Madagasikara, ary efa any ivelany vao tratra ny mpitsoa-ponenana. Ny mpanao trafikana harem-pirenena izany mety manararaotra toy ny banga mihomehy alina mihitsy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap