airtel

Sosialy

30-juin-2021

Sosialy

Sao diso hevitra Ny kere no fahavalo fa tsy ny mpanao gazety

Sample post image

Lasa any amin’ny adihevitra mivaona tanteraka no niafaran’ilay raharaha famoaham-baovao nataon’ny mpanao gazety Gaëlle Borgia momba ny kere sy ny fijalian’ny mponina any Atsimon’ny Nosy.

30-juin-2021

 

Lasa any amin’ny adihevitra mivaona tanteraka no niafaran’ilay raharaha famoaham-baovao nataon’ny mpanao gazety Gaëlle Borgia momba ny kere sy ny fijalian’ny mponina any Atsimon’ny Nosy. Navadiky ny mpitondra ho fanenjehana sy fankahalana olona manokana, ka samy mamely izay voany na Governora, na Tale teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, nampiasaina handisoana izay voalazan’ny fahitalavim-panjakana, niteny sy nanakiana azy mafy ny tompon’andraikitr’io fahitalavim-panjakana io, mirongatra ny fanaratsiana amin’ny tambajotra facebook,… Lasa kabary ifamaliana satria mifanenjana amin’ny seraserany ny andaniny sy ny ankilany. Raha tena nisy tokoa ny fahadisoan’ilay mpanao gazety. Inona no tsy handraisan’ny Fanjakana fepetra hentitra momba azy fa tsy avadika any amin’ny adihevitra iva lenta sy vao mainka manaratsy tena. Lasa raharaham-pirenena, ary ny endrika fandrangarangana hery sy fahefana indray no toa lasa endrika mampiseho fa malemy ny fitondrana raha toa ka olona iray no mahantonga azy hanao izao zavatra rehetra izao. Any amin’ny resaka sy vaovao navoakan’ny mpanao gazety ve no tokony ho adihevitra sa ny famahana haingana ny olana misy any Atsimo? Nahoana ny Mpitondra no tsy sahy nijoro nandiso ny filazan’ny Tale mpanatanteraky ny PAM David Beasley nilaza fa niakatra avo 7 heny noho ny tamin’ny taon-dasa ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy any Atsimo? Nahoana ihany koa no tsy nodisoina ny antso avo nataon’ny Filohan’I Seychelles teo aloha nanao antso avo iraisam-pirenena noho ny fahoriana nilazany fa iray tapitrisa mahery no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon’I Madagasikara? Sao dia mivaona sy diso fahavalo tanteraka? Ny kere tokony hiadiana tsy hita izay tena vahaolana, faly hanenjika ny teo aloha, mahita an-jatony tapitrisa dolara tsy misy fangaraharana hanaovana kianja manara-penitra, fa dinika ambony latabatra sy fanenjehana ny teo aloha kosa no vahaolana eo anatrehan’ny fahoriam-bahoaka. Nahoana no tsy tonga dia ampiharina haingana dia haingana ary ilay vahaolana 100% avy amin’ny Fanjakana Rajoelina fatra-panenjika ny teo aloha ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap